Lazao ahy ny fahazaranao, dia hambarako aminao hoe iza ianao!
Hizara aminao aho androany ity fehezantenin’i Robin Sharma ity: “Ny fiainana miavaka dia ny fandrosoana isan’andro ao amin’ny sehatra tena ilaina”. Inoako hoe marina izany.
Raha mieritreritra atleta iray , dia fantatsika tsara fa tsy indray andro izy ireny dia tonga tompondaka. Fa ny fifehezantena ataony isan’andro amin’ny ireo sehatra lehibe indrindra ho azy ireo (fanatanjahantena, sakafo ara-pahasalamana, fampiasan-tsaina) ireny no mahatonga azy ireo ,any aoriana any , lasa tompondaka avo lenta .
Nisy mpamaky iray nanoratra tamiko : “Tsy namaky intsony ny tenin’Andriamanitra toy ny teo aloha aho ary ny fiainam-bavako dia tsy nahafaly ahy intsony. Matetika aho, manomboka ny tontolo androko amin’ny faniriana hivavaka nefa lasa variana amin’ny zavatra hafa. Rehefa hariva ny andro mahatsiaro sorena aho. Mila fifehezantena aho amin’ny fiarahako amin’ny Tompo’’.
Raha efa nahatsiaro ianao fa ao anaty toe-javatra toy izany , ity misy toro hevitra ho anao : tsy voatery tsy maintsy hanao fiaingana mahery vaika ianao vao ahita vokatra. Dingana kely iray isan’andro dia ampy. Manaova fanolorantena androany. Atombohy amin’ny zavatra bitika, tahaka ny mivavaka 5 minitra isan’andro. Mety ho kely izany fa afaka hampitomboinao hatrany. Tsara kokoa ny 5 minitra toy ny fotoana very fotsiny! Ary rehefa mandeha ny fotoana, dia ho afaka hampitombo ilay tanjona ianao.
Na dia fotoana fohy aza no hijanonanao eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, ka hiainanao isan’andro izany, hiova ny fiainanao.
Tsy mora ny mitazona fahazarana vaovao! Kanefa, afaka hatao izany raha miantehitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Tena tiako ity andinin-tsoratra masina ao amin’ny (Filipiana 2.13) izay milaza hoe : “Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony”. Andriamanitra no hahatanteraka ny aminao, avelao Izy hitantana , mitoera tanteraka eo Aminy.
Koa mankahery anao aho anio ry namako tsy hamotsitra sy hikikitra hatrany. Aza miala fa apetraho eo an-tanan’ny Rainao any an-danitra ny zavatra rehetra!