๐ Lany daty !

Inona no manakana anao tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra ?Efa nieritreritra ve ianao hoe angamba ilay lalana nizoranao hatramin’izao dia voafetra ihany? Ary ahoana raha toa ka efa napetrak’Andriamanitra mialoha ny daty fetrany? Nefa ianao mbola tena miankina mafy amin’izany ary tsy te hiala ?
Toy ny hoe mamela “yaourt” efa lany daty ao anaty vata fampangatsiahana ianao, sady mihevitra hoe “Mety tsy dia olana kosa angamba e.”
Nisy vehivavy iray nitantara tamiko vao aingana fa tsy nino mihitsy hoe mety ho lany daty ny chocolat. Ka dia nohaniny tamim-pifaliana… Nefa indrisy, fa nohaniny niaraka tamin’ny kankana madinika efa tao anatiny izany…!
Ahoana moa raha efa tsy mitovy amin’ny omaly intsony ny angatahan’Andriamanitra aminao anio?Fantatro tsara ny manakana anao tsy hanao ny sitrapony. Izay koa no nampisalasala ahy tamin’ny voalohany : fahatahorana ny tsy fahazoana antoka. Tsy fantatro izay hitranga reha miova lalana aho…
Raha ny marina… Na ny zavatra heverina ho azo antoka aza mety hirodana tampoka. Indrindra raha efa lany daty eo amin’ny planin’Andriamanitra ! Satria na dia izay efa mahazatra aza, dia mety hihovitrovitra tampoka rehefa tsy sitrak’Andriamanitra intsony.
Izany indrindra no antony hoe tsara foana ny mifidy ny làlan’Andriamanitra. Na dia maro aza ny fanontaniana sy ny fisalasalana aterany amin’ny voalohany.
Amin’ny maha-olombelona, dia sarotra takarina izany. Izany no ilantsika ny fanampian’ny lanitra: amin’ny alalan’ny vavaka.
Anio, tiako hiaraka hivavaka amiko ianao, satria hanokatra ny masonao Andriamanitra mba hahafantaranao izay mbola voatendry ho anao sy amin’ny alalanao. Satria manana ny hevitra hiheverana anao Izy – sy amin’ny alalanao – Ary efa nampanantena Izy ! (Jeremia 29.11)
Vavaka : “Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.” (Salamo 39.4)
Fahagagana ianao !

