Krismasy, fetin’ny fahalemena

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Krismasy, fetin’ny fahalemena

Manahoana ianao ry Namako,

Miditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fety isika. Jiro, fanomezana, sakafo mafilotra, fotoana fiarahana amin’ny fianakaviana… Ny krismasy dia fotoam-pifaliana ho an’ny maro amintsika. Vanim-potoana tena tiantsika hamahanana indray ny vatoaratra !

Nefa, ilay krismasy voalohany dia tsy mba nisy fiadanana loatra. Fotoana nisehoana fahalemena lalina mantsy tamin’io. Handeha anie alaintsika sary an-tsaina ny nandravaka an’izany e : fanisàna noteren’ny mpitondra romana natao, tanàna kely lavitr’andriana sy misy hantsana, fitoeran’ny biby, tovovavy reraky ny dia lava natao, ankoatr’ireo mpiandry ondry, tsy nisy nitsena ny fiavian’Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka …

Tiako ity hira ity, izay mamaritra tsara ny zava-nisy tamin’ilay alina nahaterahan’i Jesosy, ny nahatongavan’ilay fahagagana lehibe indrindra tao anatin’ny fahalemena indrindra :

“Bethléem, toi la moindre (Betlehema, ianao izay kely indrindra)
Des petites cités, (Amin’ireo tanàna kely)
Le monde en toi voit poindre (Ilay tontolo ao aminao mahita fisavàna)
La divine clarté. (Dia ilay hazavan’Andriamanitra)
Une nouvelle étoile (Kintana vaovao)
Resplendit dans tes lieux, (Mamiratra ao aminao)
Et déchire le voile, (Mandrovitra ny voaly)
Qui nous cachait les cieux.” (Nanakona ny lanitra)

Betlehema dia tsy toerana nanintona na nalaza ! Sady tsy ivon’ny varotra no tsy nisy resaka ara-kolontsaina, ary tsy natao ho an’ny mpizahantany. Tanàna lavitr’andriamanitra tsy mba nisy nahalala izany izy… Toerana tsinontsinona. Any koa izao mety misy tsy mahafantatra akory hoe aiza izany Madagasikara izany…

Saingy fantatrao ve fa mampifaly an’Andriamanitra ny mampiasa zavatra tsinontsinona mba hisandratan’ny voninahiny ? Fantatrao ve fa tiany ny mihetsika amina toerana tsy hitan’ny olona, ary mampahafantatra ny tenany amin’ireo olona izay tsy mba asian’ny olona tombambidy?
“Kanefa izay noheverin’izao tontolo izao ho adala no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay noheverin’izao tontolo izao ho osa no voafidin’Andriamanitra hampahamenatra ny matanjaka.” (1 Korintiana 1.27)

Ry namako, mahatsiaro tena ho malemy ve ianao ? Reraka ? Tsinontsinona ? Aza mety kivy izany. Fitaovana ahafahana manandratra ny voninahiny ao aminao sy amin’ny alalanao izany.

Ny krismasy dia fetin’ny fahalemena…
● Andriamanitra dia tonga olona, ilay olona tsinontsinona sy marefo.
● I Jesosy, Mpanjakan’ny voninahitra no manatona antsika ao anatin’ny fahalementsika.
● Ilay Andrian’ny fiadanana no manome ohatra ho antsika ny amin’ilay fiainana maneho ny hery ao anatin’ny fahalementsika.

Mirary fety sambatra !


Misaotra fa misy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!