• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 15, 2026

KOLOKOLOY NY FIFANDRAISANAO AMIN’ANDRIAMANITRA

Andro namoahana Sep 15, 2026

Manana fanomezam-pahasoavana iray izay aho, dia ny mahatsapa ny zavatra tsara na ratsy mety hitranga amiko, na ny vadiko na olona akaiky ahy. Tsy hoe isaky ny mihetsika koa nefa ka hangataka amiko ianao haminany ho anao an…😅 

Fantatro izao ohatra hoe misy zavatra na olona manelingelina ny tokantranoko dia ireny tokoa fa misy fambara maro mipoitra. Tsy mino kisendrasendra aho. Fa rehefa manana fifandraisana mafy orina amin’ny Fanahy Masina ianao dia afaka asehony sy zarainy aminao ny ao am-pon’Andriamanitra. Satria “.... Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.” (1 Korintiana 2:11)

Rehefa manana fifandraisana akaiky aman’olona ianao ohatra dia hizaranao tsiambaratelo izy, sa tsy izany? Ary ho antsika Kristianina dia tena zava-dehibe ho antsika ny mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra marina. Ny tokony ataontsika voalohany dia manontany hoe : inona ny sitrapon’Andriamanitra na hoe inona no ataony momba ito. Ary eo ny fifandraisanao amin’ny Fanahy Masina no hampahafantatra anao ny ilainao na ataonao manokana. Tombontsoa goavana izany! 

“Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.” (Jaona 16:13)

Omen’Andriamanitra anao anie izany fanomezam-pahasoavana izany rehefa hamafisinao ny fifandraisanao amin’ny Fanahy Masina. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny