🙌🏻 Karakarao ny tempolin'ny Fanahy!

Manakaiky ny faran'ity andiany ity isika, izay ahitantsika bebe kokoa isan'andro ny fomba ahafahantsika mamorona fiovana tsara eo amin'ny fiainantsika, tsikelikely.
Anio aho dia te hiresaka momba ny tempolin'ny Fanahy Masina. Eny, ny vatantsika izany!
Milaza ny Baiboly fa “ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina” (1 Korintiana 6:19), izay midika fa mitoetra ao anatintsika ny Fanahiny ary, amin’ny Alalany, ny vatantsika dia afaka manome voninahitra an’Andriamanitra sy manome voninahitra ny anarany.
Betsaka ny zavatra azontsika atao ao amin’Andriamanitra sy ho Azy! Fa amin’izany rehetra izany dia mila ny vatantsika isika. Ary raha tsy karakaraintsika izany, dia mety hiteraka olana ara-pahasalamana, izay hanimba ny fiainantsika sy hanahirana ary hisakana antsika tsy hanompo tanteraka an’Andriamanitra.
Izany no maha zava-dehibe ny fikarakarana ny vatantsika araka izay tratra. Tahaka izay rehetra hitantsika, ny vaovao tsara dia tsy voatery hoe fiovana mahery vaika izany: afaka mandray fanapahan-kevitra kely izay hisy fiantraikany lehibe amin'ny fahasalamantsika isika.
Izaho manokana dia miezaka hatrany ny ho salama tsara sy mihinana sakafo voalanjalanja, araka izay azo atao. Misy fotoana anefa mora adino amin’ny rotorotom-piainana andavan'andro isika, lasa tsy dia manao fanatanjahan-tena, lasa misakafo bebe kokoa, ... ary lasa mampisy vokatra ratsy izany.
Rehefa avy nivavaka nandritra ny herinandro maromaro aho dia tsapako fa nametraka izao tao am-poko ny Tompo:
-
Manao fanatanjahan-tena telo andro misesy ary miala sasatra amin'ny fahefatra. Dia ohatran’izay hatrany.
-
Misotro rano imbetsaka isan’andro, indrindra raha vao mifoha. Noho izany, manana tavoahangy misy rano foana aho eo amin’ny biraoko.
-
Tsy mihinankinana eo anelanelan'ny sakafo, afa-tsy ny “yaourt”.
-
Ahena ny siramamy ao anaty zava-pisotro ary ranom-boankazo iray isaky ny sakafo ihany no sotroina.
Mazava ho azy fa mifanaraka amin'ny fiainako manokana ireo torolalana ireo: tsy voatery hitovy ny antsika. Fa ny fehiny dia rehefa nanontany an'Andriamanitra aho momba izany dia nomeny ahy ny Fahendreny... Ary izany koa no tiany hatao aminao!
Ary eny tokoa, hatramin'ny nampiharana an’ireo teboka tsirairay ireo dia mahatsapa hery bebe kokoa aho, maivana kokoa!
Inona avy ireo fanapahan-kevitra asain’Andriamanitra raisinao mba hikarakarana ny vatanao? Makà minitra vitsivitsy hanontaniana an’Andriamanitra, mihainoa ny Feony, ary soraty izay rehetra tonga ao an-tsainao mba hanombohana ny fampiharana izany.
Ho hitanao ny fiovana ho tsapanao! ;)

