• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 10, 2025

🙏 Jesosy, iray amin’ireo safidy fotsiny ve ?

Andro namoahana Mey 10, 2025

Nandritry ny andro vitsivitsy izay, dia niezaka nijery isika hoe inona avy no azontsika ampiharina mba ahatsapantsika fiovana mazava tsara eo amin’ny fiainana andavanandro, ahafahantsika mihatsara kokoa. Anio dia tiako ho resahina ilay zavatra tena lehibe indrindra : izany fahafahana MAHAFINARITRA ananantsika izany hoe manana fifandraisana marina amin’i Jesosy, fifandraisana azontsika anapahan-kevitra mandrakizay !

“Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay!” (Lioka 23.39) Izay no tenin’ilay jiolahy iray niaraka tamin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, alohan’ny nahafatesany. Teny fohy, nefa milaza ny zava-drehetra momba azy.

Tsy mitovy amin’izany ve ny toe-tsaintsika  indraindray  — ao anatin’ny korontana eo amin’ny fiainantsika ? Firy amin’ireo vavaka fohy ataontsika amin’i Jesosy no toa hoe : “Ampio aho aty, ampio aho ary…” ?

Vao haingana aho izay, namboly zava-maniry tao an-trano, ary rehefa avy nandeha niala sasatra kely aho, dia tsy tsara endrika intsony izy ireo. Eny e, mila fikarakarana tsy tapaka tokoa ny zava-maniry !

Toy izany koa ny fifandraisanao amin’i Jesosy. Mazava ho azy fa te ho eo anilanao Izy. Mazava ho azy fa tia anao Izy — na dia manadino Azy aza ianao. Fa ny tena fanontaniana dia izao : Faly ve ianao amin’izay maha-Jesosy Azy, sa mitady fotsiny izay tombony azonao avy Aminy ?

Rehefa tsy mahita vahaolana intsony isika dia tsy mihafahafa fa lasa mandeha etsy sy eroa. Inona avy ny vahaolana tadiavinao? Asiana Jesosy kely , asiana “tapa-kazo” kely, bouddha kely, teny “fisainana miabo” kely, fandehanana amin’ny dadarabe na mpisikidy…..dia manantena hoe mba farafaharatsiny ve tsy hisy hahasoa amin’ireo ?

Jesosy IRERY ihany no lalana, fahamarinana, ary fiainana ! Tsy misy mahazo manatona ny Ray afa-tsy amin’ny alalany, hoy ny filazantsaran’i Jaona. (Jaona 14.6)

Ilay jiolahy voalohany nangataka fanampiana fotsiny, tsy nahazo. Fa ilay faharoa kosa, izay nilaza hoe : “Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?” (Lioka 23.40). Dia novonjen’i Jesosy tokoa.

“Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11.6)

Raha nahatsapa ianao fa tsy nanondraka intsony ilay zava-maniry antsoina hoe “finoana”, ary navelanao niditra tao amin’ny fiainanao ny safidy hafa, dia manasa anao aho hiverina amin’ny alalan’ny vavaka, ao amin’i Jesosy izay faly mandray anao !

“Jesosy ô, mamelà ahy. Eny, mila Anao aho. Ianao irery ihany! Mamelà ahy ny amin’ny nisafidianako vahaolana hafa. Miverina Aminao aho ankehitriny ! Tiako Ianao ! Amen.”

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.