Jereo ity fiara ity !
Efa nahita fiara antitra nandeha teny an-dalana ve ianao ? Irony fiara taloha be toy ny tamin’ny taonjato voalohany irony no eritreretiko.Nahafinaritra ahy foana ireny karazana fiara ireny, ary ny tena mahatalanjona ahy dia ny fandaniana hataon’ny olona sasany manarina azy ireny. Manova motera izy ireo, manamboatra kojakoja manokana ary mikarakara ny pitsopitsony kely indrindra, mba hampijoro tsara azy na dia eo aza ny fahasimbana entin’ny taona maro.Hoy ny Baiboly : « Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny” (2 Korintiana 4:16). Ry namako, tian’Andriamanitra hiaina ao anaty fanavaozana tsy tapaka ianao. Eny, marina fa mety mampiseho ny taona maro efa nandalo ny vatanao ary mety tsy tanora toy ny taloha intsony ianao … saingy ny ao anatinao dia afaka manana motera-na fiara hiaka farany ! ;)Jereo ihany koa io andinin-tsoratra masina io : Tian’Andriamanitra hihavao isan’andro ny ao anatinao. Tsy isan-kerinandro na indray mandeha isam-bolana, fa isan’andro ! Tongava isan’andro maka fotoana miseho eo anatrehan’Andriamanitra, mba hanokatra ny fonao, hanankina Aminy ireo enta-mavesatrao ary ho feno ny Fanatrehany. Rehefa manankina ireo enta-mavesatrao amin’Andriamanitra ao anatin’ny vavaka ianao, dia manavao ny fiainanao Izy.Te hanomboka hiaina izany fanavaozana izany ve ianao dieny anio ? Manasa anao aho hiaraka hivavaka amiko : “Tompo o ! Te hanana tombontsoa manokana hiseho eo anoloanao isan’andro aho, ary hiresaka Aminao toy ny amin’ny namana. Tiako roahina lavitra ahy izay rehetra mampanahy ahy ary te hamela Anao aho hanavao ahy amin’ny alalan’ny Fampanantenanao sy ny Fitiavanao ho an’ny fiainako. Ampio aho hanao izany isan’andro, ary hiaina ao anatin’izany fanavaozana tsy tapaka izany ! Amin’ny Anaran’I Jesosy, amen !
