• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • EN English
    • ES Spanish
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
Andro namoahana Mar 28, 2025

πŸ™„ Izy mahalala …

Andro namoahana Mar 28, 2025

Mino ve ianao fa mahita sy mankasitraka ny asa ataonao ho Azy Andriamanitra ?

Indraindray dia toa mahatsiaro isika hoe tsy hita ny asa fanompoantsika an’Andriamanitra. Mbola tsaroako foana ireo fotoana maro tsy tambo isaina nataoko nikarakarana hetsika ho an’ny tanora sy ny ankizy tao am-piangonana, nanampy tamin’ny fiderana, na tamin’ny fanamafisam-peo. Rehefa miverina mijery ny lasa aho, dia mahita hoe nisy fiantraikany tamin’ny olona sasany ny fanompoako. Saingy amin’ny lafiny iray, mbola manontany tena ihany aho hoe hatraiza ny fiovana nentiko teo amin’ny fiainan’izy ireo..

Hoy Jesosy tamin’ny iray amin’ireo fiangonana noteneniny tao amin’ny Apokalypsy :

πŸ‘‰ “Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao…” Ary tohizany hoe : “Ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.” (Apokalypsy 2:2-3)

Tena tiako ilay hoe “Fantatro ny asanao…”. Ary lazainy amin’ny antsipiriany hoe hatraiza ny ezaka nataon’io fiangonana io ho Azy.

Jereo anie ity andininy iray ity e : “Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.” (1 Korintiana 15:58)

Ry namako, na dia tsy hitan’olona aza ny asa nataonao ho an’Andriamanitra, Izy kosa dia mahalala ny antsipiriany rehetra. Mahalala Izy fa nitsangana alina ianao nikarakara zavatra, niresaka tamin’olona, nivavaka, nanome… Tsy nisy very tamin’izany na dia iray aza. Samy nanana ny lanjany avokoa ireny rehetra ireny, ary hiteraka vokatra lehibe lavitra noho izay eritreretinao.

Tsy mamporisika anao hanompo bebe kokoa ve izany? 😊 Tohizo ny ezaka ary mitomboa isan’andro ao amin’Andriamanitra sy amin’ny fanompoana Azy amin’ny fonao manontolo..

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra