• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 13, 2023

Izy ilay Tompo mpanasitrana

Andro namoahana Jan 13, 2023

 

Manao ahoana ianao ry Namako,Fantatrao ve ny dikan'ny hoe "Yaveh-Rapha"? Midika izany hoe: manasitrana ny Tompo. Ao amin'ny Eksodosy 15.22-27, Andriamanitra dia nanao ny fanekena voalohany tamin'ny olony izay vao nafahany tamin'ny fanandevozana tany Egypta: "Raha hazoto hihaino ny feon’I Jehovah Andriamanitrao ary hitandrina ny didiny rehetra… dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina ireny izay nataoko tamin’ny Egyptiana, fa Izaho no Jehovah izay mahasitrana anao.Maneho ny tenany amin'ny anarana hoe "Yaveh-Rapha" ny Tompo: manasitrana ny Tompo. Eto dia manao izany Izy noho ny fifanarahana tam-pitokisana nisy. Andinin-tsoratra Masina maro no mamaritra ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ireo olony. Ohatra amin’izany ny ao amin’ny Eksodosy 23,25: "Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina."Io fampanantenana io dia havaozina ao amin'ny Deoteronomia 7.12-15: "Ary raha mihaino ianao … ka mitandrina … Ary harovan’I Jehovah tsy ho azon’ny aretina hianao …" Tsara ny manamarika ao amin'ireto andalan-tsoratra Masina ireto ny fifandraisana feno fahatokiana, famindram-po, ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fampanantenany hitahy ny olony ary hanome fahasalamana ho azy ireo.Ry namako, Andriamanitra dia tsy manana ny fanafody fa Izy mihitsy no fanafody. Koa androany dia raiso io Andriamanitra mahafinaritra io izay tia anao ary maniry ny tsara indrindra ho anao. Manome ny fanasitranana amin'ny fiainanao Izy, tsy amin'ny lafiny ara-batana ihany fa eo amin'ny lafiny ara-panahy, ara-pihetseham-po, fifiandraisana ary na ny ara-bola mihitsy aza.

Misaotra fa misy ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.