📅 Izay tena zava-dehibe anio…
«Jesosy o, ampio aho mba hahalala izay tena zava-dehibe ho amin’ny anio. Amen. »
Raha mivavaka toy io ianao amin’ity andro ity ary tena maniry izany amin’ny fonao, dia efa nanao izay hahasambatra an’Andriamanitra ianao!
Andeha anie hijanona kely e! Eny, izao mihitsy. Aza mieritreritra akory ny zavatra mila homanina ho amin’ny rahariva. Ary aza mieritreritra koa hoe : « ... izaho irery ihany koa moa no eto »
Satria tsy misy dikany izany rehetra izany raha takatrao ny tena zava-dehibe anio.
Ary ny atao hoe zava-dehibe dia izay manan-danja amin’Andriamanitra ihany. Hatramin’izay, ny fitiavany feno hatsaram-panahy ho anao no zava-dehibe Aminy! Amin’ity alina mialoha ny Noely ity, ankalazaintsika ny nanirahany ny Zanany ho amin’izao tontolo izao. Eny, tonga olombelona Andriamanitra.
Hoy ny Soratra Masina :« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona. » (Filipiana 2:7)
Izany no dikan’ity alina ity amin’Andriamanitra: fahamoizana noho ny fitiavana. Vonona hiala amin-javatra iray ve ianao anio? Angamba hiala mihitsy amin’ny faniriana hankalaza ilay fety tonga lafatra araka ny noeritreretinao?
Satria raha manantena ianao anio fa hilamina ny zavatra rehetra, ka tsy ho diso fanantenana amin’ny fety ianao, dia ilay “Tonga lafatra” mihitsy no manantena fa hahatsikaritra Azy ianao…
Mba hahatratrarana izany dia tsy tokony hanome lanja ny fihetseham-ponao ianao (« Tena nieritreritra zavatra hafa mihitsy aho androany! »), fa tokony hiezaka hahita ilay tonga olombelona NOHO NY FITIAVANA ANAO!
Na tsy mahatsapa ny « tonga lafatra » aza ianao, dia afaka mahatsapa ilay TONGA LAFATRA ianao androany!
Ilay nanetry tena noho ny FITIAVANA ANAO – fa tsy noho ny fitiavana ity fety ity – mba ho akaiky anao.
« Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe: Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra » (Matio 1:22-23)
Tsy ny fihetseham-ponao no mifehy ity andro ity. Satria ny fitiavan’Andriamanitra no efa nanapa-kevitra ho an’ity andro ity!
Mahita sy manaiky an’izany ve ianao ?
Mirary alina tena masina tsy hay hadinoina ho anao aho!
Fahagagana ianao !
