❤️ Izay no fanapaha-kevitr’Andriamanitra ho ANAO!

Mahatsiaro tena “tsy afaka manakaiky” an’Andriamanitra ve ianao amin’izao fotoana izao?
Midera anao manokana aho raha mbola nisafidy hihaino izao hafatra izao ianao na dia eo aza izany fahatsapana izany. Satria ny fanatonana an’Andriamanitra dia tena mila fanomanam-panahy.
Mety efa tsikaritrao angamba hoe tena feno be foana ny fiainako. Kanefa, volana vitsivitsy lasa izay, raha nanomboka nihaino fampianarana tamin’ny teny Alemana mitondra ny lohateny hoe "Mitomoera eo amin’ny Fitsaharany" aho, dia tena nahita fitsaharana izay tsy mbola hitako hatrizay. Fitsaharana tena tsapako hoe misy, na dia manodidina ahy aza tsy misy fahatoniana.
Fisalasalana kely fotsiny sy fieritreretana hoe: “Nanalavitra an’Andriamanitra aho” no vao may nahatonga ireo lainga nibahan-toerana noho ny taloha : “Haha, ho arian’Andriamanitra koa aho izao”.
Efa nandefa fisainana toy izany koa ve ianao?
Fantaro fa tsy handao antsika velively Andriamanitra satria misy fotoana isika tsy nifandray Taminy. Raha tsy izany dia tsy voasoratra ny hoe: “Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.” (Fitomaniana 3:22-23)
Kanefa tsy azonao fantarina ao anaty fotoana fohy sy fahamaikana ny maha akaiky an'Andriamanitra, ny Teniny, ny Fanatrehany, ka hijerevanao vetivety indray avy eo hoe: "Andriamanitra ô, mbola ao ihany ve ianao?"
Amin’ny alalan’ny fifandraisanao manokana amin’Andriamanitra no ahafantaranao ny Fanatrehany.
Ary fantatro fa somary lalindalina kokoa io fifandraisana io. Indraindray ianao tena mafana fo be ary te hiroboka amin’ny famakiana Baiboly, misy andro hafa anefa ianao mila tsy hahita ho tenenina anaty vavaka!
Fantatro ary tena tsapako izany!
Izany no hanasako anao hametraka izao fieritreretanao hoe raha tsy ritra ny Famindrampony ary vaovao isan’andro izany - izay fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisin’Andriamanitra amin’ny fahalalana feno ny zava-misy - moa ve ianao tsy te hanapa-kevitra sy hilaza hoe: “Ry Raiko izay any an-Danitra o, tiako ny hanatona Anao indray isa-maraina!”
Hiniako apetraka aminao izany fanontaniana izany mba hahafahanao manao izany dingana izany eo amin’ny Fanatrehany!
Fahagagana ianao!

