Izay no antony !
Tena sarobidy loatra ianaođ Sarobidy loatra eo imasonâny fahavalo.
Izany no mahatonga azy mierona eo aminâny fiainanao. Mierona aminâny endrika fanelingelenana izy.
Eny, tampoka teo dia feno kokoa noho ny mahazatra ny fandaharam-potoananao. Tampoka teo dia manahy zavatra izay efa ela nampanantenainâAndriamanitra anao ianao :
âary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo â (1 Petera 5:7)
Tampoka teo dia marary ianao ka very tanteraka ny faniriana hamaky Baiboly. Tampoka teo dia malahelo tsy misy antony ianao⊠Miverimberina foana izany âtampoka teoâ izanyâŠ
Tsarovy mandrakariva izao :
âMahonĂČna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapanyâ (1 Petera 5:8)
Ary mierona aminâny alalanâny fanelingelenana anao izy. Fantatrao ve hoe nahoana ny liona no mierona? Mampita hafatra aminâny liona hafa izy aminâizany hoe : âEfa misy tompony ity faritra ity.â Mahavariana sa tsy izany? đŠ
Koa lazao amiko : âfeno zavatraâ ve ny sainao aminâizao fotoana izao? Feno fanelingelenana anâarivony, eritreritra anâarivony? Raha eny, dia nahomby ny fahavalo⊠nahomby taminâny fampivilina anao â sy nampanalavitra anao⊠aminâIlay milaza aminao hoe :
âapetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareoâ (1 Petera 5:7)
Tsy manana hery afa-tsy ilay omenao azy ny fahavalo.
Koa tsarovy ny hery tsy manam-petra anananâAndriamanitrao, ilay Andriamanitra tia anao sy mamerimberina aminao hoe :
âApetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareoâ (1 Petera 5:7)
Ity no fampahatsiahivana ho anao anio : Apetraho eo Aminy ny zava-drehetra⊠ary miverena maka hery đȘ eo aminâIlay tsy mba reraka sy vonona mandrakariva hihaino sy hanohana anao. (jereo Isaia 40:28)
Satria sarobidy ianao. Satria manana vidiny tsy manam-petra eo imasony ianao. đ
Fahagagana ianao!