• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 22, 2026

Izay natokan’Andriamanitra ho anao !

Andro namoahana Aog 22, 2026

Lazao ahy hoe... tena am-pahatsorana... ...misy zavatra ve nampanantenain’Andriamanitra anao, nefa hitanao fa misy olon-kafa toa maka ny toeranao?

Vehivavy iray no nitantara tamiko vao aingana fa efa ela be izy no nanonofy ny hifindra tao amina trano iray, izay vao namidy mihitsy tamin’izay fotoana izay.Nampanantena azy ny hahantanteraka izany Andriamanitra.

Ary nampanantenain’Andriamanitra anao koa izany! Amin’ny alalan’ireo andinin-tsoratra masina rehetra vakinao, rehefa ampiharinao amin’ny fiainanao manokana izany. Andeha horaisintsika ohatra ny Salamo 84, izay ahitantsika hoe: " Tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.". (Salamo 84.11)

Te hanome anao misimisy kokoa Andriamanitra, saingy mba hiainanao izany, avelao Izy handrisika anao!

Fantatro fa mety ho hita ho mieboebo be izany. Saingy tsy izany mihitsy no tiana holazaina. 

Nandany fotoana maro nandinika tamin’alahelo an’ireo olona nitsidika an’ilay trano ity vehivavy ity. Satria raha izy, dia tsy nanana ny hoenti-manana hamatsiana ny fividianana izany mihitsy izy.

Eo imasonao, tsy ho tanteraka izany, fa eo imasony kosa, tsy misy tsy azo atao!

Niezaka nanam-pahasahiana ihany anefa ity vehivavy ity tamin’ny farany, ka niresaka tamin’ilay mpivarotra. Saingy indrisy fa efa tara! Efa ho raisin’olon-kafa ilay trano...

Nefa, teo anelanelan’ny zava-misy efa hita mibaribary teo anoloan’ny masony sy ny fitokisana amin’izay azon’Andriamanitra atao, dia nifampiresaka tamim-pomba mahaliana be ireto vehivavy roa ireto, ka nampihemotra an’ilay mpivarotra  ary nanome azy an’ilay trano — tamina fepetra tsy mampino mihitsy aza!

Eo anoloan’ny zava-misy mibaribary eo imasonao sy ny fitokisanao amin’izay azon’Andriamanitra atao... mifikira mafy amin’izay nampanantenainy anao koa ianao!

Inona avy ireo zava-misy mifanohitra amin’ny fanirianao? "Tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.". (Salamo 84.11)

Ary inona no iainantsika rehefa matoky isika? "Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra" (Marka 10.27)

Amin’ny lafiny inona no handraisanao fanapahan-kevitra tamim-pahasahiana anio, mba hijoroana manoloana an’ireo zava-misy tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana, ary hitokisanao mba handraisana izay tian’Andriamanitra homena ANAO?

Te hameno anao amin'ny tsara Andriamanitra!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.