• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 24, 2026

Izay mikendry anao…

Andro namoahana Apr 24, 2026

Inona no atahoranao amin’izao fotoana izao ?

Ady lova ? Taratasy mikasika ny hetra ? Faktioran-jiro manaraka ? 👨‍💻

Ireo izay mikiky ny fifandraisanareo mivady sy mitady handrava izany ? Sa ilay nofy izay napetrak’Andriamanitra ao am-ponao sy niezahanao efa hatry ny ela…kanefa mety mbola tsy hahomby indray ?

Henoy tsara aho fa ara-baiboly ity lazaiko anao ity : Afaka matoky FOANA ny fidirana an-tsehatra ny hery ambony kokoa ianao !

Mety efa tao anaty sidina ✈️ izay tsy maintsy najanona angamba ianao : “Antony tsy azo hioharana”, ny filaza azy.

Zava-mitranga tsy nampoizina sy ivelany.

Fa tsy midika akory izany hoe satria tsy niomana amin’izany isika…dia tsy hitranga izany !

Ary izany indrindra ny tian’Andriamanitra tenenina aminao anio : “Na dia tsy manantena intsony aza ianao dia hiditra an-tsehatra Aho ! Satria, Izaho, ilay Tompo Andriamanitrao, no “antony tsy azo hioharana” izay azonao ianteherana amin’ny fotoana rehetra !”

Eny tokoa, tena tsara loatra  izany ! 😍

Afaka manantena FOANA ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra ianao !

Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: … fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.” (Zakaria 2.12) Tsy tena mampahery be ve izany ?

Manonòna fiainana amin’ny toe-javatra misy anao, dia hiasa Andriamanitra ! 

🙏🏻 Manasa anao hanao ity vavaka ity miaraka amiko :  “Misaotra Ray, satria tena sarobidy loatra eo imasonao aho ! Misaotra satria afaka manantena Anao hiditra an-tsehatra amin’ny fiainako aho. Eny, miantehitra Aminao aho - ilay hany “antony tsy azo hioharana” marina. Amen!”

Mirary tontolo andro feno izany Hery Ambony indrindra izany ho anao aho, izay hiasa hanome anao fandresena !

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.