✍🏼 Izay ilay valin-teny nilainao…

“Amin'ny maha kristianina, azoko atao ve ny midoroka zava-mahadomelina?”, “Azoko atao ve ny mandao ny vadiko?”, “Azoko atao ve ny mamela ny zanako hody alina be avy any amin'ny toeram-pandihizana?”
Matetika mipetraka amiko ireo fanontaniana ireo. Misy fotoana ny olona milahatra eo amin’ny fandraisana bokiko aorian’ny fampisehoana iray, tsy hoe hividy boky, fa noho izy ireo manantena ahy hamaly ny fanontaniany.
Mahafaly ahy ny fitokisany. Saingy tsy mety anefa izay fitokisana izay. Satria ilaiko fantarina aloha ny tantarany, raha mety dia izay resahin’ny roa tonta. Tokony ho fantatro ny zava-misy… mialohan’ny hanomezako valiny!
Ary na izany aza, sarotra amiko ny hanome “valiny mahafapo”, satria : tsy valinteny tsotra no ilainao, fa ny valinteniNy.
Izany no antony tsy maintsy ametrahana ilay fitokisana amin'ny toerana sahaza : “Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao. Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.” (Ohabolana 3:5-7)
Tena zava-dehibe ary sarobidy ny fitokisana amin’Andriamanitra, satria Izy irery ihany no afaka sy maniry ny hihaona aminao, amin'ny fihetseham-ponao, amin'ny ratra anaty sy ny fanontanianao. Izy irery ihany no manana valiny mahafapo anao. Atolony anao izany amin'ny alalan'ny Fitiavany. Valin-teny izay hanampy sy hanasitrana anao. Matokia.
Resy lahatra ve ianao ny tsy hametraka fanontaniana amin'ny manodidina anao intsony, fa amin'I Jesosy mivantana? Miandry hamaly anao Izy.

