Izay hitan’Andriamanitra ao anatinao!
"Tsy vitako izany, tsy mifanaraka amin’ny toetrako izany."
Impiry ianao no efa nanao fialan-tsiny toy izany? Fa ahoana kosa raha tsy tena toy ny fiheveranao ny tenanao ianao? Ary ahoana raha misy fahaiza-manao napetrak’Andriamanitra ao anatinao, izay mbola tsy hitanao izao, nefa TENA ao anatinao tokoa?
Nandalo toe-javatra mitovy amin’izany i Gideona. Satria tamin’ny lafiny iray dia niandry fahagagana izy, nefa tsy tsapany fa IZY mihitsy ilay fahagagana izay nandrasany.
Mety hoe indraindray ve isika miandry fahagagana, nefa isika ihany no afaka mampisy izany? Izany no antony tiako hampaherezana anao anio: Aza miandry intsony ilay fahagagana izay mety ho IANAO mihitsy!
Hitan’Andriamanitra tao amin’i Gideona ny hery hiady, ny herim-po hijoro manoloana ny fahavalony, ary ny fandresena... Efa nomaniny rahateo ny fandresena. Ny hany tsy maintsy nataon’i Gideona dia ny nitsangana... ary nandeha!
Toy izany koa dia hitan’Andriamanitra izay napetrany ao anatinao: ny hery hiady, ny herim-po hijoro manoloana ny fahavalonao, ary koa manoloana ny tahotrao sy ny tebitebinao, ary ny fandresena... Efa nomaniny sahady ny fandresena. Ny sisa ataonao dia ny miroso, dia ho hitanao ny tenanao tahaka ny fahitan’Andriamanitra anao!
“Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery. " (Mpitsara 6.12). Izany no fiarahabana nataony an’i Gideona TALOHAN’ny nahatsapany ny heriny.
Kanefa tamin’izany fotoana izany, i Gideona dia mbola nanafina ny variny noho ny tahony ny Midiana. Ny tahotra no nameno ny sainy tamin’izay, fa tsy ilay iraka napetrak’Andriamanitra tao am-pony!
Alohan’ny hanombohanao ny andronao, dia lazao amin’ny tenanao tsara izao: Mahery ianao, mahery kokoa noho izay eritreretinao! Tsarovy fa: "Momba anao ny Tompo!" (Mpitsara 6.12)
Ny fahalemenao no hitanao, fa ny herinao kosa no hitan’Andriamanitra, satria ny Tenany no hitany ao anatinao!
Fahagagana ianao!