• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 8, 2025

🙌🏻 Izay hanova ny taratrao!

Andro namoahana Sep 8, 2025

Mahafaly ahy ny hiara hijery aminao ireo andininy malaza ao amin’ny Ohabolana 3:5-7. Raha ny tena marina dia mety mbola tsy niraharaha izany loatra isika hatrizay... Koa manantena aho fa hampahery sy hanova ary hakasika anao tsotra izao ny fitiavan’Andriamanitra, satria tena sarobidy eo Imasony ianao!

Rehefa averiko aminao isan'andro hoe "Fahagagana ianao", dia tena mino izany tanteraka aho! Tena feno fankasitrahana anao aho!

Tsy mila mahafantatra anao manokana aho vao hahalala fa nirian’Andriamanitra ianao! Nohariana tamin'ny fahatanterahana rehetra sy ny tamin’ny fitiavana ianao! Satria ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia mahagaga avokoa!

Mety eo am-pahatakarana izany tsikelikely ianao, fa resy lahatra aho fa efa ao anatinao ny FAHAGAGANA, satria ilay herin'Andriamanitra Mpamorona no ao anatinao!

Hitantsika ao amin’ny Baiboly ny fihetsik’Andriamanitra rehefa avy namorona ny lanitra sy ny tany, ny mazava sy ny haizina. Izao no voalaza: “Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava;” (Genesisy 1:4)

Ary fantatrao ve izay voalazan’ny Baiboly taorian’ny namoronany ny olombelona, izany hoe ianao (!)?

“Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” (Genesisy 1:31)

Eo imason’Andriamanitra, tsy hoe "tsara" fotsiny ianao, fa "tsara indrindra"!

Ary izany no antony hiantsoako anao anio: "Aza miankina amin'ny fahalalanao!" (Ohabolana 3:5b)

Fa mino marimarina aho fa eo am-pihainoana ahy, dia mbola hieritreritra ihany ianao hoe: Izaho ve no fahagagana? Raha fantatrao izay nihaviako,... dia tsy mba hanao ahy hoe: “Fahagagana ianao.”

Eny, marina fa hitan’i Jesosy ny zava-mitranga eo amin’ny fiainanao... na ny ratsy aza dia hitany. Fa Jesosy dia te ahita hoe iza IANAO ao Aminy, ary ho tonga iza IANAO amin'ny Alalany! Ary amin’izay no ahafahanao matoky Azy—fa tsy miantehitra amin’izay fiheveranao manokana.

Tokony haka fotoana kely ianao anio hijerena fitaratra, hitsiky, ary hiteny amin’ny tenanao amim-pahatokiana sy feno fankasitrahana hoe: “Fahagagana aho!”

Isaky ny misaotra an’Andriamanitra noho ny fahagagana amin’ny maha-izy anao ianao, dia misaotra an’Ilay Mpamorona anao, izany hoe Ilay mitoetra ao anatinao! Ary rehefa hitan'Andriamanitra Jesosy Zanany- izany hoe ilay FAHAGAGANA - ao anatinao, dia izao no fotoana ahitanao an'i Jesosy ao anatinao ihany koa!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.