Izao no tena tiako amin’ny Krismasy,
Fantatrao ve ny tena tiako indrindra amin’ny tantaran’ny Krismasy ?
Satria, ao anatin'ny indray mipi-maso, dia manafoana ny fomba fisainan'ny olombelona sy ny lojika rehetra eto an-tany izany.
Satria raha misy olona tonga hilaza amiko anio hoe :
“Henoy aho fa hisy lehilahy ho avy, lehilahy hitondra fiadanana ho an’izao tontolo izao. Azo antoka fa efa nambara mialoha izany. Lazaina fa Zanak’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka Izy, ary hiankohoka aminy ny olona rehetra.”
Dia hieritreritra aho hoe : “Marina ve ity zavatra lazainy amiko ity ?” Ny hafatra toy izany dia tsy maintsy avy amin’ny mpanjaka ihany - avy amin’i Mpanjaka Charles ohatra - na olona manan-kaja be, mahafantatra ny zava-drehetra… fa tsy avy amin’ny “mpiara-miasa” tsotra amiko fotsiny.
Avy eo aho hanontany tena hoe : “aiza ilay hotely goavana hipetrahan’io Mpamonjin’izao tontolo izao io ?” Ary hanomboka hieritreritra fomba hialana amin’ny mpiambina mba hahitana Azy amin’ny masoko aho.
Haha, tsia, tsy ohatran’izany mihitsy, Jesosy, Mpamonjy anao manokana, dia tsy haneho ny tenany amin'izany fomba izany velively!
Na dia mihevitra ny tenantsika ho zava-dehibe aza isika, dia nisafidy ny hanetry tena ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Izy, Jesosy, izay tena manana ny antony rehetra hisandratana!
Henoy tsara,
“Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina. Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona” (Lioka 2.8-12)
Tsy nisy hotely goavana, tsy nisy fihetsiketsehana, tsy nisy mpiambina mila ialàna. Te hihaona aminao eo amin’io toerana misy anao io Jesosy Mpamonjy izao tontolo izao, satria te ho namanao Izy !
Mitsambikina an-kafaliana ny foko ka milaza hoe : “Ry Mpamonjy ahy, ry Mpanjakako - Ianao irery ihany no zava-dehibe amiko amin’ity Krismasy ity!”