🫵 Izany dia mamela anao HANANA TRAIKEFA MANOKANA
Manenika ny fiainanao ve ny tahotra amin’izao fotoana izao ?
« Ahoana no ahafahako manohy ? », « Ahoana no hiatrehako an’ity andro ity ? », na koa tahotra ny amin’ireo olona tianao : « Hanolotra ny fiainany ho an’i Jesosy ve izy ireo indray andro any? »
Eny, ireo fanontaniana rehetra ireo dia anatin’ny fiainana. Saingy tsy tokony ho gaga amin’izany intsony ianao. Satria Andriamanitra tsy gaga amin’izany. Hoy Jesosy : « Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.» (Jaona 16:33).
Vao aingana, raha mbola rendremana tao anaty torimaso maraina aho, dia natolotro an’i Jesosy tamin’ny vavaka ny fanontaniako sy ny ahiahiko tamin’io andro io. Ary rehefa namaky ny tenin’Andriamanitra aho, dia toy ny nosakambinin’ny lanitra. Izao no voasoratra :
«Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:7-8).
« Andramo ka izahao… » Izany no zavatra tian’Andriamanitra hiainanao manokana, hoe IANAO mihitsy no hiaina azy ! Inona no atao hoe « matahotra » ? Midika hoe manaja, manome voninahitra. Ary raha manaja sy manome lanja olona iray ianao, dia manandanja aminao ny teniny, ka vonona hanaraka azy ianao. Ary eto dia Andriamanitra no resahina.
Manandanja aminao ve izay lazain’Andriamanitra ? Mihaino sy manaraka Azy ve ianao ? Raisinao ho zava-dehibe ve raha milaza aminao Izy hoe : « Tsy mila matahotra ianao… » ?
Midika izany fa matoky Azy ianao, satria manaja Azy amin’ny fo. Ary satria matoky Azy ianao, hoy Izy : mandefa anjely Izy mba hitoetra akaikinao, hiaro sy hamonjy anao !
Tsy haiko hoe ahoana no fihetseham-ponao amin’izany, fa izaho kosa mahatsiaro faly sy feno fientanentanana ! Tiako ny hanome voninahitra Azy amin’ny alalan’ny fihainoako Azy rehefa milaza Izy hoe : « Aza matahotra. » Satria amin’izay no ahafahako miaina izany sy mahatsapa fa misy anjely mipetraka eo akaikiko, mitondra fiadanana ho ahy !
Azoko lazaina aminao ve hoe inona ny antony andalovanao izao toe-javatra izao? Mba hahafahanao miaina sy mahita an’ilay zavatra goavana ho ataon’Andriamanitra ho anao !
«Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:7-8).
Andramo amin’ny tenanao izany.
Fahagagana ny fisianao !
