Iza no nametraka izany tao an-tsainao?
Efa nanao zavatra ve ianao izay heverinao fa tsy ahazoana famelana intsony?
Angamba efa an-taonany maro ianao no mitondra izany vesatra izany ao am-ponao. Tsy hoe eritreretinao foana izy io, fa… mbola ao foana. Ary manakana anao tsy handroso. Ary mino ianao hoe : “Izany no mahatonga an’Andriamanitra tsy afaka mitahy ahy.”
Angamba tsy mbola nilaza izany tamin’olona mihitsy ianao, satria matahotra hoe raha lazainao dia hotsaraina ianao.
Fantatrao ve hoe tena tia anao Andriamanitra?
Raha tena azontsika ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra, dia ho hafa tanteraka, ary ho tsara kokoa, ny fomba fiainantsika!
“Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra” 🤩 (Salamo 36:6)
Izay tsy azo saintsainina dia tsy ho voasaintsaina mihitsy. 😅 (Toy ny hoe mazava ery!)
Noho izany dia tsy ho azonao sary an-tsaina tanteraka mihitsy ny fahasoavan’Andriamanitra, satria mihoatra lavitra noho ny eritreritrao sy ny fisalasalanao rehetra izany, toy ny hoe : “Afaka mbola hitia ahy ve Izy noho ireo rehetra nataoko taminy…?”
Kanefa izany no marina : ny fahasoavany dia lehibe kokoa noho ny lasanao.
Ary mampahatsiahy ny fahasoavany i Jesosy ao amin’ny andininy iray manan-danja, rehefa niteny tamin’ireo mpampianatra ny lalàna izay nampianatra tamin’ny fomba henjana : “Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin'ny rantsan-tananareo iray aza.” (Lioka 11:46)
Ny asan’ny mpahay lalàna dia ny mampita ny lalàn’Andriamanitra. Ny “lalàna” dia maneho zavatra henjana sy manasazy, eny. Ary eto indrindra no miditra i Jesosy, rehefa milaza amin’ny teny hafa hoe : “Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo.”
Nomen’Andriamanitra antsika ny lalàny mba hiarovana antsika. Fa ny olona kosa namadika izany ho lalàna tsy afaka tratrarina !
Koa miangavy anao aho, aza mijanona ao anatin’ny fisalasalana amin’ity eritreritra ity hoe: “Tsy afaka mamela ahy intsony Izy.”
Satria lehibe tsy azo saintsainina ny hatsaram-pony. Ary anio Izy dia manasa anao amin’ny zavatra tsotra : “Avia atỳ amiko, omeo Ahy ny enta-mavesatrao, ary raiso ny fahafahana.” 🥰
Eny, na dia mety tsy ho azon’ny olona manodidina anao aza izany, aza adino fa afaka manatona an’i Jesosy mivantana ianao. Satria Izy irery no lalana sy fahamarinana ary fiainana. (Jaona 14:6 )
Ary izany fahamarinana izany… tsy misy olona afaka hanala izany aminao!
Fahagagana ianao!