Iza no mitondra fiadanana ho anao
Korontana izany ! Raha ny marina, naniry Krismasy tony ianao tamin’ity taona ity. Saingy tsy nifandraika tamin’ny zavatra nirinao anefa ny zava-misy. Ary tsy fiadanana fa ahiahy no te-hitoetra ao anatinao.
Minoa ahy, korontana tanteraka koa ny Krismasy voalohany indrindra! Eritrereto i Maria tanora iny, voakorontana tanteraka ! Tamin’izany fotoana izany, tena fahamenarana lehibe izany hoe bevohoka tsy manambady izany! Avy eo, mbola tsy maintsy nandeha lavitra izy (teo ambony zanaboriky) nefa efa akaiky ho teraka, ary tsy nahita efitra hotely aza rehefa tonga tany! Raha izaho… dia ho sahirana tanteraka angamba aho !
Fa tsia, tsy i Maria izany ! Satria nitondra ny fiadanana tao anatiny izy ! Ary tsy nisy zavatra teto amin’izao tontolo izao, na dia ny toe-javatra nanodidina azy aza, afaka nisakana ny efa nokasain’Andriamanitra ho azy : “Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra” (Isaia 46.10)
Mbola voakasika foana aho amin’ilay hira “Be born in me” nataon’i Francesca Battistelli : “Alohan’ny haneken’ny saiko, dia efa mandohalika ny foko.”
Mety tsy azonao ny toe-javatra lalovanao amin’izao fotoana izao, fa manana drafitra ho an’ny fiainanao koa Andriamanitra, izay hotanterahiny ! Ary na dia ela aza ny fiandrasana, dia efa te hanome anao ny Fiadanany i Jesosy ! Izany no antony itiavako manontany anao dieny izao : “Ekenao ve ny hahaterahany ao aminao, anio ?” Tsy te-hanampy fotsiny eo amin’ny fiainanao sy ny asanao Izy, fa te ho ny fiainanao mihitsy !
Raha mandohalika ny fonao, dia ny Fiadanany no hampijoro anao !
Sokafy Aminy ny varavaran’ny fonao amin’ny alalan’ity vavaka ity : “Jesosy, misaotra Anao aho satria tonga teto amin’izao tontolo izao ianao hitondra ny Fiadananao ho ahy ! Na dia tsy azoko avokoa aza ny zavatra rehetra, dia tiako ambara Aminao anio : ‘Mandohalika ny foko’ ary mangataka Aminao izy mba honina ao anatiny ! Raiso ny toerana rehetra, Jesosy. Tiako Ianao ! Amen !”
Mirary fiadanana tsy mbola niainanao aho !