• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 17, 2025

Iza no mety ho lasa ilay be herim-po indrindra ?

Andro namoahana Apr 17, 2025

Te-hanohy hiresaka momba ilay olona be herim-po indrindra izay niaina hatramin'izay aho. Fantatrao hoe iza no horesahiko, sa tsy izany?

Hoy ny Baiboly : “ Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; Ary misandrata hianareo, ry varavarana fahagola ! Mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra. Iza izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsi-toha, Jehovah mpiady mahery” (Salamo 24 :7-8).

Eny, Andriamanitra no ilay be herim-po indrindra eo amin’izao rehetra izao : tsy matahotra na iza na iza Izy ary tsy misy na iza na iza afaka manohitra Azy !

Nandresy ny fahafatesana sy ny haizina Izy tamin’ny maha Andriamanitra sady olombelona Azy. Niatrika ny fakam-panahy, ny tahotra ary ny ahiahy iainantsika rehetra Jesosy ary nandresy azy ireny.

Nandalo tafio-drivotra mahery vaika Izy ka nampangina ireny. Nitory tamin-kerim-po sy tamim-pitiavana nanoloana olona maro Izy. Nampitombo ny mofo Izy rehefa tsy nisy olon-kafa nahalala ny tokony natao, ary nanasitrana ireo rehetra nangataka vonjy Taminy.

Nanao fahagagana sy namelombelona fo maro Izy. Ary rehefa nahazo ny fanahiny ny tahotra teo Getsemane, satria efa tonga ny fotoana, dia tsy nahasakana Azy koa izany fa nanovo hery tao amin’ny Tompo Izy ary nanohy mandra-pahatonga Azy ho mpandresy teo amin’ny Hazo fijaliana.

Nanolotra ny Ainy teo Jesosy mba hahavonjy antsika mandrakizay. Tsy mahatalanjona ve izany ?

I Jesosy no mahery fo lehibe indrindra teo amin'ny tantara rehetra, ilay olona be herim-po indrindra teto an-tany. Ary hainao ve inona no mbola tsara kokoa noho izany? Miantso anao Izy hanaraka Azy sy handeha amin’ny lalany.  

Eny ry namako, Jesosy no loharanon’ny herim-ponao! Mivavaka aho mba ho lehibe tokoa ny fifandraisanao Aminy ka tsy hisy hahasakana anao ho tonga fitahiana ho an’ny manodidina anao intsony ! Mandrosoa amin-kerim-po sy finiavana mankany amin’izay rehetra iantsoany anao. Miandry anao izao tontolo izao !

Fahagagana Ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.