• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 15, 2026

Iza no fahavalonao amin’izao fotoana izao?

Andro namoahana Jan 15, 2026

Ny fahavaloko, dia ny fotoana!

Betsaka loatra ireo zavatra tokony hataoko, saingy toa vetivety loatra ny andro… Ho anao manokana, ny fahavalonao dia mety ho fahasalamana, tsy fifankahazoana ao amin’ny fianakaviana, kaonty banky foana, na koa disadisa ao am-piasana… Ary mety mahatsapa ianao hoe toa miha-manakaiky izany fahavalonao izany…

Fa jereo ny ambaran’ny Baiboly : “Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro.” (Salamo 20:7-8)

Amin’izao fotoana izao, afaka avadika ho tahaka izao io andininy io hoe : “Ireo fahavalontsika, raha amin’ny maha olombelona, dia manana ny fitaovana rehetra mba hamotehana antsika, saingy tsy azony an-tsaina ny fahefan’ny lanitra! Izay no antony mbola hiderantsika an’Andriamanitra - na dia mihodidina antsika aza ny fahavalo!”

Eny, mampidina ny Lanitra ho ety an-tany isika, ary ny feontsika dia lasa fiderana mankany an-danitra!

Fantatrao ve ny zava-misy rehefa mampidina ny Lanitra ho ety an-tany ianao, ry namako? Ny tsy ho tanteraka dia lasa tanteraka! Satria izao no nambaran’i Jesosy : “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18)

Mampitsiky an’i Jesosy ny zava-manjo anao, satria tsy misy tsy hainy atao! Mamelà ahy hamerina ity andininy ity hoe : “Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro.” (Salamo 20:7-8)

Ho ahy manokana, nifidy ny hidera an’Andriamanitro aho na dia feno aza ny tontolo androko. Mihaino hira fiderana aho ary asandratro any amin’ny lanitra ny feoko. Eo no hahatsapako ny fanatrehan’I Jesosy izay miteny ahy hoe : “tsy adinao io - atolory Ahy.” Izay koa no tiany ambara aminao anio : “Ovay ho fiderana ny feonao, ary banjino ny Lanitra midina eto an-tany.”

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.