Ity vavaka ity … dia hanova ny zavatra rehetra!
Nandritra ny taona maro, dia nanofa trano tamin’ireny trano misy rihana maro ampanofaina ireny aho. Saika isan’andro dia mijoro teo am-baravaran’ny trano ilay tompon-trano, izay lehilahy efa be taona sy tena havanana amin’ny asa fanamboarana sy ny tao trano. Fantany ny fotoana hivoahako, na rehefa nisy mpitsidika aho, na rehefa mody hariva reraka avy mamonjy lalonana. Tsy misy zavatra tsy harany!
Indray andro, rehefa nisy fahasimbana ny varavarankeliko, dia efa fantatro fa ny hany tokony hataoko dia ny mampahafantatra azy ny zava-misy mba hikarakarany izany. Saingy... "Tsy dia nazoto loatra aho." Efa nahazo anao koa ve izany?
Na dia teo an-tanako aza ny vahaolana, dia naleoko nanaiky ny hiaina miaraka amin'ilay olana toy izay hiresaka momba izany aminy. Tsoriko fa natahotra aho fa sao asainy alohako ny vidin’ny lany rehetra amin’ny fanamboarana satria mety hilaza izy fa noho ny "fahadisoako izany."
Ny Baiboly dia milaza fa Andriamanitra dia Andriamanitra “izay mahita” (Genesisy 16:13). Andriamanitra mahita anao Izy! Ary fantany ny momba anao rehetra. Izao no voasoratra ao amin’ny Salamo 139:1 : “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy”.
Tahaka ilay tompon-tranoko izay tsy niala teo antokanam-baravarako mihitsy, dia toy izany koa Andriamanitra, manara-maso tsy tapaka ny fiainanao, “ny fidiranao sy ny fivoahanao” , ny marary anao ary ny manahirana anao.
Inona ary no manakana anao tsy hilaza Aminy? Ny hany tokony hataonao dia ny mampandre Azy mba hahafahany mikarakara izany… Sady tsy misy tokony hatahoranao an’Andriamanitra, satria efa voaloa ny vidiny! (1 Petera 1:18-19).
Na miatrika ny olanao irery ianao, na misokatra amin'Ilay efa nandoa ny vidiny lafo indrindra.
Tsy tokony hatahotra ny onitra ianao raha efa voaloha efa ela izany.
Tianao ve ny hanavao ny fahatokisanao an’i Jesosy anio amin’ny fanomezanao Azy ny olanao, eny fa na dia ny fiainanao manontolo aza? Afaka miresaka Aminy ianao izao, satria fantany tsara ianao, mahita anao Izy ary tia anao na dia eo aza izany rehetra izany!
Raha mety ianao, andao hanao izao vavaka izao miaraka amiko: "Jesosy ô, misaotra anao nahita ahy sy nitia ahy foana! Mangataka famelan-keloka aminao aho ny amin'ny fahotako rehetra. Inty ny foko. Manapa-kevitra aho ny hiaina feno miaraka Aminao sy ho Anao! Anao tanteraka aho! Amen."
Fahagagana ianao!