• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 17, 2025

✅ Ity ny valinteninao.

Andro namoahana Jol 17, 2025

Misy zavatra mampanahy anao ve amin'izao fotoana izao ka tsy hahitanao valiny?

Angamba eritreritra momba ny lalana tokony hizoranao mankany amin'ny hoavinao. Mety manana tolotr’asa roa milahatra mihitsy aza ianao, na ny mifanohitra amin'izany, toa tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny. Mety tsy an'asa ianao ka manontany tena hoe inona no hatao?

Manontany tena koa ianao angamba hoe mitaiza tsara ny zanakao ve ianao sa tsia? Na mety manontany tena hoe mbola ilaina ve ny hametraka zaza eto amin’ity tany ity raha mijery ny zava-misy amin'izao vaninandro izao?

Ahoana no ahafahantsika mankatò an’Andriamanitra manoloana ireo fanontaniana rehetra ireo? 

Hoy ny Ohabolana: “Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina, Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.” (Ohabolana 2:3-6).

Raha vao jerena dia toa asa be ireo zavatra tokony atao ireo. Ary izany tokoa ! Izaho koa dia mba te ho afaka hivavaka indray mandeha monja dia ho heno ny fangatahako, toy ny hoe: “Indro ny valinteninao…”

Tian’Andriamanitra hankatò Azy anefa isika rehefa mikatsaka ny Valinteniny.  Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny faharetana, na dia ela aza vao mahazo ny valiny. Nahoana? Ny antony dia voalaza ao amin’ilay andininy vao novakintsika teo, izay mazàna tsy jerentsika: “...dia hahalala an’Andriamanitra hianareo”! (Ohabolana 2:5).

Mianàra mamantatra bebe kokoa an’Andriamanitra. Ilay manana ny vahaolana rehetra amin’izay manahirana antsika. Ilay mahalala ny zava-drehetra!

Noho izany, raha manana fahafahana hihaona amin'ilay Mpamonjy anao ianao dia azoko antoka fa hanaraka azy, sa tsy izany?

Aoka isika hianatra hankatò sy hifikitra amin’Andriamanitra, na dia tsy mahazo valiny eo no ho eo aza. Eny, mba hahalalanao bebe kokoa an'Andriamanitrao, dia mamporisika anao aho mba handeha amin'io lalana io!

Mba hahalalanao bebe kokoa Azy dia atomboy amin’ny fahafantarana tsara ny tenanao aloha izany!

Mitebiteby ve ny fonao amin'izao fotoana izao? Mankahery anao aho mba haharitra!

Hiasa Andriamanitra!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.