✅ Isao am-pahendrena ny andronao !
Ny fotoana angamba no harena sarobidy indrindra amin’ny fiainantsika, na dia tsy dia mahatsapa izany loatra aza isika, ka tsy manome lanja izany araka ny tokony ho izy.
Matetika isika, indrindra amin’ny fahatanorantsika, no mieritreritra fa tsy manam-petra io harena io, ka tsy tsapantsika akory ny tena lanjany marina. Kanefa voafetra sy mandalo vetivety ny fotoanantsika eto an-tany !
Anisan’ny zavatra tena sarobidy indrindra ananantsika ny fotoana, ary miezaka mandrakariva ny fahavalo hanakorontana antsika, mba ho very fotoana isika amin’ny zavatra madinika sy maro, ka tsy hampiasa izany araka ny tokony ho izy.
Raha tsy afaka manimba anao sy manalavitra anao amin’Andriamanitra izy, dia hiezaka hanao izay hahavariana anao… Eny, miezaka mandrakariva hanaitaitra sy hanakana ary hanemotra antsika ny fahavalo ara-panahy, mba tsy hahavita izay tena zava-dehibe amin’ny fiainantsika isika, na hitombo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra !
Izany indrindra no antony hampaherezin’ny Baiboly antsika matetika hoe :“Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. ” (Efesiana 5:15-16) Ary koa “Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.” (Kolosiana 4:5) Ary tiako manokana ity andininy malaza ity : “Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.” (Salamo 90:12)
Jereo ireo hevi-dehibe mifandraika amin’ny fotoana :
-
Mampiasa tsara ny fotoana
-
Ny fahafantarana ny zava-misy manodidina (“ratsy ny andro”)
-
Mandeha amin’ny fahendrena amin’ireo mifanerasera
-
Mamerina amin’ny laoniny ny fotoana very
-
Manisa ny andro
-
Mitondra fahendrena ho ao am-po
Misy fahendrena avy amin’Andriamanitra rehefa mitandrina amin’ny zava-mitranga manodidina antsika isika, mandinika izay anaovantsika ny fotoanantsika, ary miezaka mampiasa azy amin’ny fomba tsara indrindra. Satria ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika no mamaritra ny fitomboantsika !
Koa ampiasao amin’ny fahendrena ny fotoananao ! Mivavaka aho mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra isan’andro ny dianao, ary hahita fandrosoana sy fanambinana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao ianao, araka ny hanambinana ny fanahinao (3 Jaona 1:2).