Isaky ny maraina, sy isaky ny hariva…
"Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro." (1 Samoela 17.16)
Aaah io andininy io ! Mazava tokoa izy io, kanefa novakiko nandritra ny taona maro fa tsy tena takatro tsara.
Ity Goliata ity tena nahasorena ny vahoaka! Sa ahoana hoy ianao ? Raha ny marina... isaky ny maraina sy isaky ny hariva izy dia teo anelanelan'ny tafika roa : ny Filistina sy ny Israelita. Ary fantatrao ve ny fotoana tena tian'ny Israelita indrindra hivavahana sy hideràna an'Andriamanitra? Mmh, izay indrindra... ny maraina sy ny hariva !
Alaivo sary an-tsaina hoe te hivavaka ianao, nefa misy olona goavana be mierona eo anatrehanao ! Ahoana no havalinao ? Azoko lazaina anao ny fihetsiky ny Israelita. Hoy ny voasoratra : "ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy." (1 Samoela 17.24). I Goliata no ilay nampisaraka azy ireo tsy an-kiato tamin'ny vavaka sy ny tenany.
Natahotra ny hifanandrina taminy ireo israelita, noho ny tahotra ny ho resy. Nefa efa nandresy azy ireo sahady izy mialoha ny nahatonga saina azy ireo ! Raha nahita ilay olona goavana be izy ireo dia nanadino ny fifandraisany tamin'Andriamanitra... Ny maraina... sy ny hariva..
Mandra-pahatongan'i Davida nalaza hoe : "Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona;" (1 Samoela 17.32). Tiako, tiako, tiako ny fahatsoram-pon'i Davida. Ary manontany tena aho hoe nahoana no tsy nisy olona hafa tao anatin’ny vahoaka iray manontolo nahatakatra io hevitra io!
Tsy navelan'i Davida hisy na inona na inona anelanelana ny finoany sy ny fahatokiany an'Andriamanitra : tsy nisy olona goavana afaka nanelanelana izany !
Inona ny zavatra goavambe mety hanakana anao tsy haka fotoana ho an’Andriamanitra ? Ny maraina... sy ny hariva ? Inona loatra io nangalatra ny firaisanao amin'Andriamanitra io ?
Tsy te-hitsangana koa ve ianao anio, amim-pahasahiana eo anatrehan'ny zavatra goavanao eo anoloanao io ka hanao hoe : "Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io." (1 Samoela 17.32).
Satria : Raha te-handroso ianao – dia mivavaha mandrakariva !
Fahagagana ianao !