๐ Ireto ny antontan-taratasy fanampiny momba ny fiantohana ho anao
Efa niaina lozam-pifamoivoizana kely ve ianao ? Eritrereto, inona no zavatra voalohany tonga tao an-tsainao rehefa hitanao fa tsy nisy naratra ? Azo antoka fa izao: “Manao ahoana moa izany ny fiantohana ahy? Hiantoka an’ity fahavoazana rehetra ity ve izao izy ireo ?” Sa tsy izany ?”
Ny tahotra lehibe indrindra dia ilay hoe tsy maintsy mikarakara zavatra isika nefa tsy manana fahafahana.
Rehefa niditra ho mpiasan’ny fiaramanidina aho fony 17 taona, dia tsy maintsy naka fiantohana izay be lavitra noho ny an’ny olona tsotra. Fiantohana manokana. Ary raha ny marina dia faly be aho tamin’ny fotoana izay fa tsy maintsy nodidiana “kyste” maika ary nahazo ny fitsaboana tsara indrindra aho, sy nahazo efitra manokana mihitsy aza.
Mahatsiaro ho voaaro. Voaaro, na dia eo aza ny ahiahy sy ny tahotra. Afaka manana izany fiainana izany koa ianao anio. Afaka mahatsiaro ho voaaro ao anatin’ny olana atrehinao, satria tena voaantoka tsara ianao !
Fantatrao ve ny antony ?
“Satria hoy ianao: Jehovah ô, Ianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra” (Salamo 91:9).
Ilay Avo indrindra no nosafidianao hiaro anao, kay! Tsy misy ambony noho Andriamanitra. Izy no fiantohana tsara indrindra azonao raisina ! Fiantohana manokana ? Mazava ho azy. Ary tsy vola no vidiny. Fa zavatra hafa… izay somary sarotra amintsika olombelona.
Ny vidiny dia ny fahatokiana. Na amin’ny fotoana tsara, na amin’ny fotoana ratsy.
Ny fanekena izay fanapahan-kevitr’Andriamanitra, na dia tsy azontsika amin’ny antsipiriany aza, dia zava-dehibe amin’ny fiadanam-po ananantsika !
Matokia fa hotanterahin’Andriamanitra ny teniny, satria izao no ambarany aminao anio :
“Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy” (Salamo 91:14).
Atsaharo ny fisainana loza sy fahavoazana, fa eo am-pelatanan’ny Ray be fitiavana sy mahery indrindra ianao !
Andriamanitra dia Andriamanitra hatrany. Ilay Avo Indrindra. Fiantohanao. Fandresenao.
Afaka mino izany ve ianao anio ary manamafy izany amin’ny “AMEN” mafy be ?!Tena fahagagana ianao !
