Ireo minitra vitsy manova ny zava-drehetra…
Raha mizara izany aminao amin’ny fahatsorana aho, dia satria tena gaga :
Na izaho aza, izay miresaka aminao isan’andro momba ny herin’Andriamanitra, dia mbola mahita ny tenako mifoha maraina mieritreritra avy hatrany ny asa rehetra miandry mandritra ny andro, ka miteny hoe :“Hiroso avy hatrany aho, dia haka fotoana miaraka amin’Andriamanitra avy eo.” Fa raha toa ka mitovy amin’ny ahy ilay “avy eo” anao, dia tsy hisy mihitsy izany amin’io andro io !
Tsy hoe manaraka fitsipika toy ny hoe “tsy maintsy mivavaka mafy intelo isan’andro” akory no resahina eto. Fa ity toe-javatra ity no vao haingana nampahatsiahy ahy zavatra iray, izay tena tiako ovaina. Ary satria angamba mitovy mihoatra noho izay eritreretinao isika, dia te hizara ity sary ity aminao aho.
“Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.” (Salamo 23.1) Andininy mora tenenina tokoa. Fa raha izaho sy ianao tena mino izany ao am-po, moa ve hapetratsika ho laharam-pahamehana voalohany izany?
Efa nahita ondry ve ianao mifoha dia mandeha irery mitady ahitra tsara ? Tsia ! Mifoha ny ondry, dia mahita ny mpiandry azy. MANARAKA azy FOANA izy, na aiza na aiza itondrany azy. Tsy mandeha irery mihitsy izy.
Toy izao mihitsy no anazavan’ny Baiboly azy :“Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry. Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony;.. dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. ” (Jaona 10.2-5)
Anio koa ary, manontany anao aho : “Manontany tena ve ianao hoe nahoana ianao no tena sasatra amin’izao asa rehetra izao ? Sao dia niezaka nitondra ny fiainanao irery ianao, nefa i Jesosy te-hitarika anao ?”
Izaho kosa, misafidy ny hatoky ny Mpiandry ary hamela Azy hitarika ahy.
“Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho!”