• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 10, 2025

🔆 Ireo efitry ny lanitra!

Andro namoahana Jol 10, 2025

Omaly dia tena nahaliana ahy manokana ny fiantsoan’ny Tompo antsika, mba hampihatra sy hanitatra ny foto-kevitry ny Toerana Miafina, amin’ny fotoam-bavaka rehetra.

Tohizantsika ny famakafakana ilay andininy, izay manao hoe “Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao
” (Matio 6:6)

Mahafinaritra ny fomba fiantson’ny Tompo antsika mba hiditra ao amin’ny efi-trano, ilay toerana izay antsika, izay tena fantatsika tsara ka ahatsiarovantsika fa tranontsika.

Mino aho fa maro ireo toerana hafa tsara, ary tena mahafinaritra antsika
 saingy tsy mahatsiaro ho ao an-trano isika amin’ireny toerana ireny, satria tsy antsika ireny.

Ao amin’ny efi-tranonao kosa dia azonao hidirana tsara, tsy misy fitaka sy fanerena. Toerana fialana sasatra, izay afahanao mihaona amin’Andriamanitra amin’ny fo mangoraka, vonon-kihaona Aminy.

Zava-dehibe ny fananana efitra milamina ao an-trano, izay afahantsika idirana isan’andro, mba hitadiavana sy hihaonana amin’Andriamanitra.

Na izany na tsy izany, ilay resaka hoe efitra dia mihoatra lavitra noho ireo rindrina efatry ny tranonao. Jereo ny lazain’ireto adininy roa ireto:

  • Ilay Salamo 91 fanta-daza dia manao hoe : “Jehovah ĂŽ, Hianao no aroko, sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, dia tsy hisy loza hanjo anao,...” (Salamo 91:9-10). Andriamanitra no fialofanao!

  • Ny epistily ho an’ny Efesiana dia manao hoe : “ ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'I Kristy Jesosy,” (Efesiana 2:6). Mipetraka eo anilan’i Jesosy ianao amin’izao fotoana ankehitriny izao, ao amin’ny Fanahy!

Ry namako, any an-danitra dia misy efitra azonao hidirana amin’ny fotoana rehetra mba hihaonana amin’Andriamanitra!

Aza mametra ny tenanao amin’ny efitra hita maso! Afaka mihaona amin’Andriamanitra ianao na aiza na aiza, araka ny hitantsika omaly. Afaka miresaka amin’Andriamanitra ianao rehefa mandeha eny an-dalana, anaty fiara fitaterana na koa rehefa maka rivotra kely ao am-piasana.

Sady rahampitso dia hampianariko fomba iray izay efa fanaoko foana ianao, ary mino aho fa hanampy be anao izany 😉

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.