• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 13, 2023

Inona ny fangatahanao sahisahy indrindra ?

Andro namoahana Aog 13, 2023

 

Inona ny fangatahana sahisahy indrindra nataonao tamin’Andriamanitra ? Hitanao, ilay karazana fangatahana tena manan-danja ka atahoranao ny mizara azy amin’ny hafa, noho ny tahotr’izay mety ho lazainy.Nanofy i Solomona mpanjaka fa nomen’Andriamanitra azy izay rehetra nangatahiny. Zavatra iray ihany anefa no nangatahan’i Solomona : ny fahendrena hahalala ny fomba fitondrana ny olony. Nandraraka fahendrena tao am-pony Andriamanitra mandrapahatongany ho ilay olona hendry indrindra tamin’ny fotoan’androny, ary nampiany fahefana sy harena tsy hita isa toy izany koa nandritra ny fanjakany.Nahita sitraka manokana avy tamin’Andriamanitra i Solomona nandritra ny fiainany manontolo, saingy rehefa tratra antitra izy dia nivadika tamin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly : « Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy » (I Mpanjaka 11:4). Ahoana no nahatonga ny olona hendry indrindra tamin’ny androny ho diso lalana toy izany ?Ry namako, nanana fifandraisana tamin’olona tsy nanaraka an’Andriamanitra i Solomona :

  • Tsy nankatò ny modely nomen’Andriamanitra izy satria nanana vady maro.
  • Tsy nankatò ny lalàna izy satria maro tamin’ireo vadiny no tsy Israelita.

Rehefa nandeha ny fotoana dia vitan’ireo vadiny ireo ny nampiondrika ny fon’i Solomona teo anatrehan’ireo andriamanin-kafa. Tonga nanjavona nony farany izay nazava taminy tany am-piandohana, ary lasa nanao ny tsy fanao izy.Ry namako, tena zava-dehibe ny manodidina ny tenantsika amin’olona mitaona amin’ny tsara eo amin’ny fiainantsika. Te hivavaka ho anao aho : « Tompo o, mangataka Anao aho hanampy ity

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.