Inona ny dikan’ny anaranao?
Efa tsikaritrao angamba fa faranako amin’ny : “Fahagagana ianao” ny hafatro. Tsy kisendrasendra izany.
Tiako ampatsiahivina anao fa sarobidy ianao. Miavaka ny fiainanao - tsy vokatry ny kisendrasendra!❤️
Aorianan’ny fampisehoana ataoko, rehefa manasonia ny bokiko aho dia misy olona manonona ny anarany izay tena tsy fantatro ary mahavariana ahy. Dia tiko ny manontany hoe : “ Fa inona no dikan’izany anarana tsara be izany?”
Fa dia talanjona aho hoe vitsy ny olona mahay mamaly ahy. Matetika ny reko dia hoe “Tsy haiko” . Mampalaelo!
Tamin’ny fahazazako dia tena nankaleo ahy ny dikan’ny anarako. Ny tiko ho dikany dia hoe “Ahy ianao”. Fa, haha, ankehitriny dia haiko hoe mety amiko ny dikany ARY ilay teny kely hoe “Ahy ianao” dia voasoratra foana teo ambonin’ny anarako ny tena marina. Tsy hoe nampiana an!
Satria ny hoe maha-zanak’Andriamanitra anao dia mety hoe tsy voasoratra mivantana eo amin’ny anaranao fa voasoratra kosa eo ambonin’ny fiainanao!
Ao amin’ny Isaia 43:1 dia hoy Andriamanitra : “Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao” (Isaia 43:1)
Ka inona ny dikan’ny anaranao ary? Tsy hainao ve? Mamporisika anao aho hikaroka izany sy hametraka izany anaty vavaka - indrindra raha eritreretinao fa: “Tsy mifanaraka aminao izany dikany izany”.Satria Andriamanitra dia mety manana planina vaovao izay hainy tsara kanefa mety tsy tazanao ankehitriny!😉Ary aza adinoina fa ambonin’ny anaranao dia mitoetra ity fahamarinana ity: “Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao” (Isaia 43:1)
Amin’ny foko manontolo dia tiako ny hamerina aminao anio hoe: Fahagagana ianao!