Inona ny anarana entin’ny sabatrao ?
Raha hanontany anao aho hoe inona, araka ny hevitrao, no fitaovam-piadiana faran’izay tsara nananan’ny miaramila fahiny, inona no ho tonga ao an-tsainao voalohany ? Sabatra izay, sa tsy izany ? Amin’ny alalany dia afaka manafika sy miaro tena amin’ny fomba mahomby ianao.
Ny sabatra no fitaovam-piadiana naneho indrindra ny fiarovan’ny miaramila. Nandritra ny tantara, dia nanome anarana ny sabany mihitsy aza ny jeneraly sy ny mpiady lehibe, ary nirehareha ny amin’ny zava-bitany tamin’izy ireo.
Nomen’Andriamanitra sabatra mahery vaika isika ary mitondra anarana iray izany : « Tenin’Andriamanitra » no iantsoana azy. Izay no ambaran’ny Baiboly : « Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy” (Efesiana 6:17)
Sabatra ara-panahy ny Tenin’Andriamanitra :
- Sabatra tsy mamono izy fa manome fiainana any anaty lalin’ny maha-izy anao Sabatra mahomby izy io, ary tena ilaina amin’ny ady.
- Sabatra roa lela izy io, izay ahafahanao miaro tena sy manafika.
Ry namako, fotoana izao ampiasana ny sabatrao, ifikiranao amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny fiainanao. Nanome anao ny Teniny Andriamanitra ary Izy tsy mba diso izany !
Hivavaka isika : “Tompo o, misaotra Anao aho satria manohana ahy ny Teninao. Io no sabatra anavahako ny lainga, iatrehako ny fanafihana ary androahako ny fahavalo. Misaotra amin’ny Teninao Fahamarinana, Tompo o! Ampio aho hampiasa io sabatra io amin’ny fomba mahomby indrindra azo atao ry Andriamanitro. Amin’ny anaran’I Jesosy. Amen.”