Inona no zavatra ho vakinao voalohany ?
Inona no laharam-pamehana aminao vao mifoha maraina?
Mora be ny miteny hoe : "Manokatra ny Baiboliko aho, mieritreritra an’ilay Andriamanitra lehibe izay mahavita ny zava-drehetra, ary manomboka mivavaka mandritra ny 15 minitra."
Saingy, inona no tena zava-misy marina, ny tena m-a-r-i-n-a ?
Efa nolazaiko taminao, fa ny maraina, dia tiako ny miala eo am-pandriana ary mandohalika avy hatrany mivavaka hoe : "Andriamanitra ô, lehibe tokoa Ianao, manao ny tenako ho kely eo anatrehanao sy ny fahalehibiazanao aho ! Tiako ny mahatsiaro ny herinao sy ny fahafahanao tsy manam-pahataperana ho an’ity tontolo androko ity.”
Aza manahy, izaho koa tsy mahavita izany isan’andro. Misy maraina sasany miteny aho hoe : "Indrisy, mbola reraka sy vizana be aho izany,” 🥱 dia mijanona mandry eo aho sady mivavaka hoe : "Ray ô, anio aho dia handohalika ANATY – nefa mitoetra ho Andriamanitra lehibeko hatrany Ianao."
Ah, isika olombelona – vao misy zavatra tsy dia mampahazo aina kely (toy ny mandohalika) na mitaky ezaka, tonga dia mahita hevitra hafahafa be isika, haha. 😉
Mahavariana ny mahita fa mora kokoa ny mandray avy hatrany ny finday 🤳🏻– na ny kafe ☕️. Kanefa efa tonga tao an-tsainao ve fa io "fihetsika haingana" io dia manokatra malalaka ny varavarana ho an’ny fanahiana, ny enta-mavesatra ary ny tahotra – nefa ianao mbola tsy nampiditra ny fanantenana, ny fitokisana ary ny fitiavana ao am-ponao akory ? 🤔
Ary eo no miditra an-tsehatra ity andininy ao amin'ny Baiboly mahafinaritra ity : "Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara." (1 Tesaloniana 5.21)
Koa, TSARA ve ny manomboka ny tontolo andro amin'ny fanahiana ny zavatra mitranga eto amin'izao tontolo izao ? Tsia !
TSARA ve ny manomboka ny tontolo andro amin'ny fikarakarana izay an'ny lanitra ? Eny !
Alohan'ny hijerena izay mitranga eto an-tany, dia tsarovy Ilay hitantana ity tany ity mandrakizay !
Inona no fanapahan-kevitra ho raisinao anio, ho hampiharinao rahampitso maraina ?