• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 10, 2026

Inona no tokony ho fantatrao momba ny ampitso

Andro namoahana Jan 10, 2026

“Malahelo be aho izao, ary tsy fantatro ny antony… Raha vao mivoaka ny trano aho, dia feno tahotra tsy hay hazavaina…”

Mahazo hafatra toy izany matetika aho. Angamba ianao koa dia tahak’izany, satria miaina ao anatin'izany tahotra izany ianao. Azoko ny manjo anao satria tsapako ihany koa izany. Ohatry ny ho maizina kokoa ireo volana ho avy ireo noho ny ambiny amin’ny taona.

Mamelà ahy hilaza izao avy hatrany aminao : manoloana ny mazava ao anatinao, dia tsy manan-kery ny haizina!

Fantatrao ve izay lazain'ny Satanista (eny, misy izy ireo) momba ny fankalazana ny “Halloween” ohatra ? "Ny Halloween dia, araka ny lovantsofina, dia fotoana iray izay isokafan’ny vavahadin'ny maizina mankany amin'ny fanjakan'ny haizina, ny fahafatesana ary ny zava-mahagaga. Ny demonia sy ny fanahy dia manana fahafahana malalaka mandritra ny alina iray, ka miteraka korontana sy mitaona antsika ho amin'ny fetiny."

Ary inona no lazain’ny Baiboly? “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino… Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? ” ( 2 Korintiana 6:14-15 ).

Na dia toa mitondra haizina aza ity andro ity, dia zanak’Andriamanitra ianao ary mijanona ho zanak’Andriamanitra. Tsy tokony hampatahotra anao izany, fa hiaro anao sy ny ankohonanao amin’ny loza rehetra ny Rainao!

Vohay ny vavahadin'ny lanitra! Fenoy hira fiderana sy fiankohofana ny tranonao—miankohofa eo anatrehan’i Jesosy, Ilay nilaza hoe: “Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.”. (Jaona 8:12). Amena!

Ny fahazavany ao anatinao sy amin’ny alalanao dia mamirapiratra kokoa noho ny haizina.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.