Inona no tianao atao aminao?
“Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.” (Matio 20:34)
Tantaran’ireo jamba nangataka ho sitran’i Jesosy io andininy io. Mety sondriana tamin’ireo voalaza eo aloha ianao fa efa naka fotoana kely ve ianao nandinika hoe mafonja dia mafonja ito andininy farany ito?
Teboka 4 no avoitrany :
-
Jesosy onena : ny olona mety tsy hanana fandeferana na faharetana fa i Jesosy kosa na teo aza ny hamaroan’ny zavatra tsy maintsy natrehany dia nanana fo onena Izy, nandre sy nahita ny niainan’ireo jamba ireo. Hitantsika eo ambony eo ohatra fa ny vahoaka niteny azy ireo mba hangina (and 31) fa tsy nanakana azy hiantso mafy izany. Ary tena nampijanona an’i Jesosy ny finoany ka nahatonga Azy hanontany hoe : Inona no tianareo hataoko aminareo? (and 32). Aza avela hametra anao ny hafa. Mijoroa am-pinoana ary aza mamotsitra fa eo anoloana ny valim-bavakao.
-
Nanendry ny masony : Hitan’i Jesosy ny ivon’io andrasanao valim-bavaka io. Avelao Izy hanendry izany, hikasika izany fa tsy misy tsy hainy atao. Omenao alalana feno ve Izy?
-
Nahiratra niaraka tamin’izay: Nivaha teo noho eo ny olan’izy ireo. Tadidio fa rehefa onena sy avelanao hanendry anao Jesosy dia miaraka amin’izay ny valim-bavakao. Na inona na inona mety mbola hitanao na tsapanao dia efa “nahiratra” izany.
-
Nanaraka an’i Jesosy : rehefa azonao ny valiny dia ataovy izay sitraky ny Tompo, manompoa Azy, ambarao amin’ny hafa ny hatsarany teo amin’ny fiainanao fa aza mangina na hafenina izany satria tiany ianao ho tonga fitahiana ho an’ny hafa amin’ny alalan’ny fijoroanao vavolombelona.
Onena anao anie ny Tompo ary hanendry io lalovanao io handraisanao ny fahazavana ilainao ka hanompoanao Azy amin’ny fonao manontolo.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕