Inona no tena atahoranao?
“Fa raha nahita ny rivotra izy (Petera), dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, …” (Matio 14:30)
Endrey, manan-karena io andininy iray io, heniky ny fahendrena sy fahazavana ka tsy afaka hanohy ny lalantsika tahaka ny taloha intsony isika manomboka izao!
Tsy fantatro hoe tahaka ny ahoana ilay “rivo-mahery” amin’ny fiainanao. Mety ny fanambadianao izay mihozongozona ilay rivotra, ilay onja, na koa faktiora tahaka ny tendrombohitra izay mitady hanorotoro anao, na koa ilay fahatsapana ho irery izay mihinana anao avy ao anaty. Ry namako, manan-danja SAROBIDY io andininy iray io:
“Fa raha nahita ny rivotra izy (Petera), dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, …” (Matio 14:30)
Kanefa taloha kelin’izay i Petera dia tsy nanana ahiahy tamin’ny fotoana nanomezany hanina vahoaka aman’arivony, tamin’ny alalan’ny mofo dimy sy hazandrano roa monja (Jereo Matio 14:15-21). Sarotsarotra izany, saingy nifantoka tamin’i Jesosy ny masony, ary tsapany fa efa nanana vahaolana vonona i Jesosy.
Kanefa dia natahotra izy teo ambonin’ilay sambo nitady hivadika, raha tsy teo anilany i Jesosy.
“Fa raha nahita ny rivotra izy (Petera), dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, …” (Matio 14:30)
Taiza ny masony tamin’izay fotoana izay? Tsy nibanjina an’i Jesosy izy, fa ny rivo-doza sy onja-mahery. Inona no lesona azontsika tsoahina ny amin’izany?
Amin’ny fotoana rehetra, banjino hatrany i Jesosy, raha tsy izany dia handavo anao ny tahotra.
Anio, mamporisika anao aho AMIN’NY FOKO MANONTOLO mba hibanjina an’i Jesosy IRERY.
Tahaka ny nataony an’i Petera, te haninjitra ny tanany aminao Izy, handray anao ary hilaza hoe : “Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?” (Matio 14:31)
Hitranga koa ny fahagaganao - mifantoha fotsiny amin’I Jesosy Mpamonjy anao!