🤔 Inona no safidinao anio?

“Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy. Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.” (1 Samoela 15:22-23)
Manasa anao aho tena hamaky io toko manontolo io ary haka fotoana tena hisaintsaina izany anio. Hitanao, zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fankatoavana izay asainy atao. Ity tantara iray ity dia maneho an’i Saoly izay tsy nihaino ny sitrapon’Andriamanitra fa nisafidy ny hihaino ny vahoaka.Â
Impiry isika teo amin’ny fiainantsika no efa fantantsika tsara fa tsy mety, nefa ataontsika ihany satria matikena-maso isika na mitady sitraka aman’olona sns…? Indraindray dia toa saronana asa ivelany, izay heverina mampitony ny feon’ny fieritreretana, nefa ao anaty dia tena tsapa tsy misy fiadanana, satria nanao izay ratsy eo imason’Andriamanitra.Â
Tsy ny fanatitra no ratsy na ny fahafoizana., fa ny tena tian’Andriamanitra dia ilay toe-po tena mankatĂł Azy tsy ampihambahambana.Â
Votsotra teo amin’ny toeram-boninahitra i Saoly noho ny tsy fankatoavana. Mivavaka aho mba tsy ho votsotra amin’ny anjara voatendry ho anao ianao satria tia mankató ny Rainao ao an-danitra. “ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona.” (Kolosiana 3:23)
Safidio ny hankató. Aza manaiky ho voataonan’ny manodidina anao na ny zava-misy, izay mety tsy hampifaly an’Andriamanitra ka hamotsoranao ny anjara tsara efa nosoritan’Andriamanitra ho anao.
Am-poko ianao.

