Inona no niova ?
Sambatra kokoa ve ianao noho ny tamin’ny taon-dasa ? 🤔
Mahafinaritra ahy foana ny mijery ao amin’ny Facebook ny zavatra nitranga tamin’ny daty iray, herintaona, roa taona, na dimy taona lasa. Ary vao aingana, nahita “publication” iray momba ahy aho dia nieritreritra hoe :
“Eny marina… tamin’izany fotoana izany ianao dia nanapa-kevitra hanova zavatra teo amin’ny fiainanao, mba hanana fiadanana bebe kokoa…”
Mazava be:
👉 Raha tsy manova na inona na inona ianao, aza gaga raha tsy misy miova.
Sa tsy izany ?
Indraindray aho dia sahirana mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra. Fantatrao ve ilay hoe “mivavaka mandritra ny taona maro… nefa mbola tsy mazava” ?
Nefa rehefa toa tsy azontsika Andriamanitra, dia mbola misy fomba handrosoana miaraka Aminy ! 😉 Vaovao tsara izany, sa tsy izany ?
Voasoratra hoe : “Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.” (Jaona 15:2)
Ka ahoana ary izany voa tadiavin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao izany ? Heverinao ve fa ny vokatry ny asan’Andriamanitra dia hoe fisalasalana, tsy fahitan-tory, “tsy mandroso aho”, na “tsy azoko intsony” ? Tsia, tsy izany mihitsy… 😉
Noho izany:
👉 Mety efa fantatsika sahady izay tokony “esorina” eo amin’ny fiainantsika.
Ity ary ny fanamby – ho ahy sy ho anao : ahoana raha tsy tonga ilay fiovana andrasanao satria mbola mihazona zavatra iray ianao… izay tian’Andriamanitra esorina ? Izany “zavatra” izany, azoko antoka : tiany haseho amintsika, ka aza mijanona mivavaka mihitsy !
Tsy tian’Andriamanitra ho reraka foana ianao.
👉 Ny tiany dia vokatra. Vokatra tena izy. Tsy fisehoana ivelany fotsiny.
Tonga ao an-tsaiko ny mpilalao tennis Roger Federer, izay nilaza indray mandeha ny tsiambaratelon’ny fahombiazany : nianatra izy hanao fanazaran-tena kely kokoa… mba hahafahany miala sasatra tsara kokoa.
🎯 “Stress” kely kokoa = fandresena bebe kokoa ! Ahoana ny hevitrao ? Izaho manokana dia mino izany. Ary ianao koa ve ? 😃👑
Ka afaka herintaona, hiara-hijery ny lasa isika, dia hahita fa : 👉 “Eny. Nanomboka tamin’’io andro io… tena nisy fiovana be.”
Fahagagana ianao ! ❤️