• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 20, 2025

๐Ÿ›‘ Inona no mampijanona anao ?

Andro namoahana Mar 20, 2025

Ahoana no ahafantaranao fa ilay fiainana iainanao amin’izao fotoana izao no tena drafitr’Andriamanitra ho anao ?

Raha ny marina, misy andininy iray ao amin’ny Baiboly afaka mamaly izany fanontaniana izany dieny izao :

Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.” (Jaona 15.5)

Ity andininy ity dia anisan’ny hafatra farany tamin’ny fanaovam-veloma  nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany, izay nanehoany ny fitiavany azy ireo sy nanomezany toromarika ho an’ny hoaviny. Aza adinoina fa tamin’izay fotoana izay dia niatrika fiovana ihany koa ny mpianatra, angamba tahaka anao amin’izao fotoana izao.

Ilay Jesosy niaraka tamin’izy ireo hatry ny ela, ilay Jesosy nahavita fahagagana maro teo imasony, dia nanomboka nanao veloma azy ireo ! Tampoka teo dia irery izy ireo ! Mety ho eo amin’ny sehatra iray amin’ny fiainanao koa ve ianao izay toa manary antoka ilay fiarovana nahazatra anao ? Toa ianao irery sisa ve no azonao itokisana ? 

Raha izany, dia faly aho milaza aminao fa hampahery sy hanome toky anao manokana i Jesosy anio. Rehefa hoy Izy hoe “Mifikira Amiko”, dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana akaiky sy tsy tapaka Aminy Izy.

Nasainy ny mpianany - ary midika izany fa Ianao koa amin’izao fotoana izao - mba hifikitra sy hifantoka Aminy, ary hiaina araka ny Sitrapony. Satria raha manana io fifandraisana lalina amin’i Jesosy io ianao, dia ho mazava aminao hoe mbola eo amin’ny làlana tian’Andriamanitra halehanao ianao na tsia.

Manana izany fifandraisana amin’i Jesosy izany ve ianao ? Mifikitra Aminy ve ianao eo am-pandalovana ny ady sarotra amin’ny fiainana ? Sa vao izao ianao no nahatsapa fa tsy ampy ilay fifikirana Aminy ?

Raha izany dia miverena Aminy anio amin’ny alalan’ny vavaka tsotra toy izao : “Jesosy ô, mamelà ahy raha nihataka tamin’ny fifandraisana lalina Taminao aho. Saingy ankehitriny, te-hifikitra Aminao indray aho amin’ny ataoko rehetra, amin’ny fanapahan-kevitro rehetra, ary amin’ny fiainako manontolo. Te-hiara-monina Aminao sy ho Anao aho. Izany no anolorako ny foko sy ny fiainako manontolo ho Anao anio. Amen.”

Ary aza hadinoina mihitsy : ny teboka famaranana ( . ) amin’ny fiainanao dia azon’Andriamanitra ovaina ho teboka roa ( : ) ho fanombohana zava-baovao !

Fahagagana ianao !

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.