🤔 Inona no mahamenatra anao ?
Na dia ankehitriny aza – taona maro taty aoriana – mbola tsaroako ilay henatra mafy nahazo ahy isaky ny mandalo ilay toerana fanaovanay fanazaran-tena tany Hollande aho, niaraka tamin’ny Continental Singers (misy mahafantatra azy ireo?), antoko mpihira gospel izay niarahako nitety an’i Eoropa rehefa fotoana fialan-tsasatra.Nisy fihetsika nampianarina anay tao anatin’ny minitra vitsy, avy eo dia tsy maintsy notadidiana izany ary naverina. Rehefa vita izay dia misy ny fifantenana izay tena hentitra. Vao ny fifantenana voalohany dia raraka foana aho. Tsaroako mihitsy ilay fehezanteny hoe: hataonay ao ambadiky ny “Micro” fotsiny ianao dia tsy mila mihetsika be loatra.”
Kay !
Azonao an-tsaina ve ny tao am-poko tamin’izany fotoana izany?“Tsy mahay mandihy akory ianao, ka tsy maintsy afeninay amin’ny fomba rehetra.” Vao maika nanamafy ny tao an-tsaiko izany hoe tsy mahavita na inona na inona aho! Henatra… Fahoriana.
Indrisy, na i Elisabeta, vadin’i Zakarìa aza, dia mety niaina fahafaham-baraka be tamin’izy niaraka tamin’ireo namany izay samy nanan-janaka avokoa. Fa izy kosa, tsy mbola nanan-janaka mihitsy! Henatra… Fahoriana.Mandrapahatongan’ilay andro izay nisehoan’ny fahagagana – satria izay tsy noeritreretina ho azo atao dia tanteraka rehefa miaraka amin’Andriamanitra: Nataony bevohoka i Elisabeta na dia efa antitra be aza – raha ny hafa izay efa tsy afaka nanan-janaka intsony!
Ary nidera an’Andriamanitra tamin-kafaliana i Elisabeta hoe: «Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.»(Lioka 1.25)
Tiako hampahatsiahivina anao anio fa, na ho anao aza, mahita fomba foana Andriamanitra hanaovana ny tsy azo atao ho afaka atao!
Eny, afaka manala ny henatra sy ny fahorian’ny fonao Andriamanitra!
Tahaka ahy izay ankehitriny afaka mijoro ambony sehatra (na koa mandihy, haha) tsy mila mandalo fifantenana mialoha, sy tahaka an’i Elisabeta izay bevohoka tamin’ny fahanterany, ianao koa afaka mahita ny zava-mahagaga tanteraka eo amin’ny fiainanao – na dia ireo zavatra tsy mbola ninoanao fa ho tanteraka aza!
Andriamanitra dia Andriamanitra. Ary mivavaka aho mba hampitolagaga anao Izy amin’ity fitahiana ity!
Satria sarobidy eo imasony ianao!
Ianao dia fahagagana!
