Inona no ho tsaroan’ny olona momba anao?
Fantatrao ve ny fomba hampifaliana an’Andriamanitra? Amin’ny filazana sy famerenana ny tenin’ny Salamo 23 mandritra ity andro ity, ao anatin’ny ahiahinao, ny tsy fahampiana iainanao ary ny ranomasonao :
“Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahaory aho.” (Salamo 23.1)Vao aingana no nomen’ny raiko ahy ny taratasy iray nosoratan’ny renibeko, izay efa nodimandry efa ho telopolo taona lasa izay. Tena nandona ny foko ny nahalalako zavatra momba azy izay tsy fantatro mihitsy… Fantatro anefa fa ny Salamo 23.1 no andininy tiany indrindra, ary tamin’izany aho dia nieritreritra hoe dia tena tsy nahita andininy hafa tsara kokoa ve izy…
Kanefa, misy fahasamihafana lehibe ny “mahalala” sy ny “miaina” azy. Rehefa iainanao ihany izy vao tena tsapanao io fiadanana avy amin’Andriamanitra io.
Te hizara ampahany amin’io taratasy io aminao aho : “Tamin’ny 1943, nisy baomba namely anay ary saika potika tanteraka ny tranonay. Tamin’ny 1944, dia nandositra izahay, ary tamin’ny 1945, nosamborin’ny Rosiana. Fotoana tena sarotra izany. Impiry izahay no niantso an’Andriamanitra, sady niafina ! Noana izahay, nefa mbola tsy maintsy niasa mafy ihany.”
Vanim-potoana lava teo amin’ny fiainany no feno fahoriana - tsapako tsara izany ao amin’ilay taratasy. Nefa ny tsaroako, izy dia vehivavy feno hafanana, falifaly, be fitiavana ary tony ! Tsy nitaraina mihitsy izy hoe : “Itanao, tena mafy ny fiainako taloha” Tsia ! Ny Mpiandry Tsarany foana no notantarainy tamiko !
Tsy nanan-karena izy, nefa tena nanan-karena ny fony !
Ary fantatrao ve ny fomba namaranany ilay taratasy ? “Hatramin’ny 1975 aho no monina irery… nefa eo foana ny Tompo miaraka amiko ! Fahasambarana tokoa ny mamerina tsy an-kijanona hoe : Jehovah no Mpiandry ahy… dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho” (Salamo 23.6)
Ary ianao, inona no ho tsaroan’ny olona momba anao ? Ny fitarainanao hoe : “Sarotra be ny fiainako”, sa ny fitokisanao hoe : “Jehovah no Mpiandry ahy” ? Amin’ny maha-zafikeliny ahy, dia afaka milaza aminao aho fa tena mirehareha nanana renibe feno finoana aho, satria : “Na inona na inona mitranga, fantatro IZAY miandry ahy, fantatro IZA no ho avy hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masoko !” (Apokalypsy 21.4)