Inona no ho hitan’Andriamanitra ao am-ponao?
“... ary maniry aho indray andro ny hanangana toby ho an’ny vehivavy mijaly amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.”
Oay, tsy nampoiziko mihitsy ny hilaza izany teny izany amin’ny feo avo - sady manoloana fakan-tsary!
Kanefa ny Baiboly dia nanazava tamiko mazava ny antony “tamin’io fotoana io”. Voalaza hoe : “ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.” (Matio 12:34). Raha ny marina, matetika no tonga tao an-tsaiko ny hevitra hanampy ireo vehivavy ireo amin'ny alalan'ny andrim-panjakana toy izany…
Fa tonga tampoka ny ahiahy : “Inona no mety holazain’ny olona mikasika izany?” Vao 24 taona monja aho tamin’izany ary zara raha mba afaka mandoa ny hofantranoko. Koa mbola lavitr’ezaka raha izany fikasana izany…
Saingy izao, hitan’Andriamanitra ny foko…
Zava-dehibe amiko ny hahazoanao ity anio. Manompo Andriamanitra “... izay mahita” (Genesisy 16:13) anao ianao.
Ary tsy hoe mahita anao Izy ka mieritreritra hoe : “Ho vitanao ve, amin’izao zava-misy anao izao, ny hanangana toby ho an’ny vehivavy mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo? Azoko ankinina aminy ve ny fikasana toy izany?” Tsia, Andriamanitra dia mijery mivantana ny fonao ary izao no fanontaniana apetrany : “Inona no manosika anao?” Noho ny fitiavany Ahy ve no hihetsehany sa noho ny filana sitraka amin’olona?
“Rehefa mahita fitiavana ao am-ponao Andriamanitra, dia manolotra anao zava-mahagaga isan’andro Izy”
Tadidinao angamba ilay tantaran’i Samoela, izay nitady mpanjaka vaovao, nanolotra an’i Eliaba izy aloha. Nananany ny bika aman’endrika. Fa izao no nambaran’Andriamanitra : “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. “ (I Samoela 16:7). Rehefa tafahaona tamin’ilay “zandriny indrindra” i Samoela, Davida, vao fantany hoe “araka ny fony (fon’Andriamanitra)” (I Samoela 13:14). Mahita anao Andriamanitra. Ary mahafaly Azy ny mahita ilay nofinofy mitombo ao aminao, izay hahatanteraka ny sitrapony!
Tsy zava-dehibe Aminy ny toe-bolanao, ny bika aman’endrikao na koa fahafahanao. Aza adino mandrakizay fa : “Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra. “ (Matio 19:26)
Fanontaniana hamaranana azy ary, “Inona no ho hitan’Andriamanitra ao am-ponao?”
Fahagagana ianao!