• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 23, 2026

Inona no ho havalinao ?

Andro namoahana Feb 23, 2026

Afaka mametraka fanontaniana mahitsy aminao ve aho?

Mitondra vokatra ve ny ataonao? Fantatro hoe fanontaniana mahitsy be izany, fa indraindray tena ilaintsika izany. Satria ny fanontaniana mahitsy no maneho amintsika ireo zavatra izay tadiavintsika ialàna ankolaka!

Izany no antony maha zava-dehibe ny fangalana fotoana indraindray hisaintsainana sy handinihana : 

“Misy dikany tokoa ve ny zavatra ataoko? Mety hitondra vokatra araka ny nolazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 15 ve ny zavatra ataoko?”

Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.”(Jaona 15.5)

Mampiasa ny sarin’ny voaloboka sy ny sampany Jesosy ao anatin’io andininy io, izay maneho ny fifandraisana lalina izay tiany hananantsika miaraka Aminy. Izany hoe : 

“Raha mijanona ao amin’i Jesosy ianao ka mitoetra ao anatinao Izy, dia hamoa be ianao.”

Fa inona izany vokatra izany ?

Matetika heverintsika fa ny vokatry ny asa ataontsika izany vokatra izany. “ Raha mamokatra ny zavatra ataoko, dia voatahy aho izany.”

Eny mety marina izany, fa tsy izany ny hevi-dehibe ao amin’io andininy io.

Tsy mitady ny fahaiza-manaon-tsika ho Azy Andriamanitra. Fa mitady ny fifandraisantsika Aminy.

Ny tena vokatra izay resahan’i Jesosy eto dia miseho amin’ny endrika hafa : 🍇Ny fitomboana amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny hafa (Matio 22.37-39) 🍇amin’ny asa tsara izay namboarin’Andriamanitra handehanantsika (Efesiana 2.10) 🍇 ny fandresena ny ota (Romana 6.11) 🍇 amin’ny fitoriana ny Filazantsara (Matio 28.19-20)

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao : Raha mifankazatra amin’i Jesosy isika ary matoky Azy, dia hanome antsika ny Heriny Izy mba hananantsika fiainana misy dikany.

Ary hamoa be isika noho izany.

Dia ilay fanontaniana napetrako taminao teny am-boalohany izany : “mitondra vokatra ve ny ataonao?” dia lasa misy dikany hafa mihitsy…

Ka inona ary ny havalinao?

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.