🌬️ Inona no hiainanao?
“Manana fihevohana ve ianao?” Io no fanontaniana napetraky ny mpivarotra fanafody tamiko, rehefa nolazaiko taminy fa mafy ny sery nahazo ahy!
Nihomehy aho, satria toa naheno ny reniko aho namerimbrerina hoe: “Tsy maintsy mihevoka ianao.” Mazava ho azy fa manana fihevohana aho, fa ny marina dia tsy dia ampiasaiko matetika izy io… noho ny hakamoana !
Raha manotany anao aho : “Manana Baiboly ve ianao?” na hoe “Afaka manatona an’i Jesosy ve ianao?”, dia antenaiko fa hamaly hoe “eny” ianao. Fa ny tena fanontaniana : Ahoana ny fanatonana an’i Jesosy?
Jesosy dia efa nahatsikaritra izany tamin’ny olona tamin’izany fotoana izany: “Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.” (Jaona 5.39-40)
Mandany fotoana miaraka amin’i Jesosy ve ianao mba hiaina ny fiadanana tiany homena anao amin’izao fotoana izao? Manantena aho fa tsy hamaly isika hoe: “Eny, saingy… kamo…” .
Rehefa manapa-kevitra hitady ILAY efa nifidy antsika hatrizay isika, dia hijery araka ny fomba fijeriny isika, ary hiaina ny fiadanana izay Izy irery ihany no afaka manome azy!
“Hiaino ny marina – hiaino ny fiainana!”, io no lohahevitra tamin’ny fihaonambe iray nataoko tany Angletera taona vitsivitsy lasa izay.
“Mitroka ny fahamarinana – mamoaka ny fiainana”
Izay ampidirinao ao anatinao, no hivoaka amin’ny fiainanao amin’ny endrika tsara indrindra.
Te hitroka ny fahamarinana, ny herin’Andriamanitra ary ny fahagagana tiany omena ve ianao?
Mitroka ary manaparitaka izany amin’ny manodidina anao amin’ny alalan’ny fofonaina ve ianao? Afaka manao izany ianao! Ary ataonao amim-pifaliana izany! Satria Andriamanitra te hitondra fanantenana amin’ity tontolo ity amin’ny alalanao. Amin’izao andro izao, ary mihoatra noho ny taloha!
Ka amin’izany, mamporisika anao aho hanatona an’i Jesosy, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny Soratra Masina.
Fantatrao ve ny dikany ny fanaovana evoka? Ny entona avy amin’ilay rano mafana misy akora manasitrana iny dia manampy amin’ny fanasitranana ny aretin’ny taovam-pisefoana.
Ary ianao, inona no ho vokany raha manao mihoatra noho ny “ rano mafana ” fotsiny ianao? (Izany hoe ny herin’Andriamanitra). Mitroka - mamoaka, ary jereo ny fahagagana!
Fahagagana ianao!