🧒🏼 Inona no hataonao any aoriana?
Misy ankizy, dieny mbola kely dia efa mahafantatra tsara ny zavatra tiany hatao amin’ny fiainany. Mahafantatra ankizy tahaka izany ve ianao?
Nahavariana ahy foana ny tantaran'ireo mpanamory sambon-danitra, atleta ary mpanao fanatanjahan-tena ireo, izay hatramin'ny fahazazany dia efa nahalala izay tiany hatao amin'ny fiainany ary niasa mafy mba hahatratrarana izany. Nanana nofinofy tao am-pony izy ireo, ary io nofinofy io no namaritra ny fomba niainany ny fiainany, mba hanatanterahana ny anjara voatendriny.
Isika koa dia manana ny anjara voatendrintsika : ny Lanitra. Izay anjara izay no manosika antsika hanome ny tsara indrindra ho an’ny Tompo isan’andro. Ny bokin’ny Apokalypsy dia milaza hoe : “Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.” (Apokalypsy 22:5).
Rehefa any an-danitra isika, dia hanenika antsika ny fahazavan’Andriamanitra, fa ny anio sy ny eto an-tany dia mameno ny fanahintsika ny Fahazavany. Fotoana izao hitolomana ho an’ny nofinofy izay napetrak’Andriamanitra ao am-ponao, ka mamirapirata na aiza na aiza alehanao! Rehefa mahatsiaro torovana ianao, tsarovy ny Lanitra, angony ny herinao ka zory hatrany ny dia!
Araraoty ny anio ry namako, ary mamirapirata amin’ny fahazavan’ny Tompo.