❓Inona no hataonao amin'izany?
Isaky ny mamoaka boky vaovao aho dia manolotra tolotra fanentanana, izany hoe mandefa boky izay nosoniaviko manokana aho ho an’izay manafatra dieny mialoha.
Mangataka amin’Andriamanitra foana aho ny teny sahaza omena an’ilay mpamaky na dia tsy fantatro manokana aza ilay olona. Ary nandritra ny fanentanana ho an’ny tolotra farany, dia hoy aho anakampo hoe: "Maniry mafy hizara zavatra betsaka ao anatin’ilay hafatra manokana ny ato am-poko, saingy noho ny amaroan’ny isan’ireo boky, indrisy fa tsy afaka manoratra fehezanteny mihoatra ny iray isaky ny boky aho!"
Tonga tamiko tsy nitaredretra ny valintenin'Andriamanitra:
"Tsy amin'ny isan'ny teny soratanao no tena zava-dehibe fa ny hevitra fonosiny! Toy izany koa, tsy amin'ny habetsahan'ny fampahalalana omena momba ahy, fa ny amin'ny zavatra atao amin'izany."
Oay. Nahakasika ahy loatra izany. Ary teo no ho eo dia niiba ny fanehoan-kevitro: "Ah, toa asa be izany..." Nieritreritra indray aho hoe: "Fa ahoana ary ny fomba fanoratako?" Indraindray, tena fohy toy ny "tiana ianao", ohatra!
Raha ny marina, tsotra kely izany. Mety hoe mbola tsy nandre izany ianao, na ny mifanohitra amin’izany, efa nandre izany imbetsaka. Raha izany no izy, afaka manontany anao ve aho hoe nataonao inona izany? Mino izany ve ianao? Sa avelanao handalo fotsiny ireny teny mahafinaritra ireny ka ny fisalasalana no tena mibahana ao anatinao?
Izany no tian’Andriamanitra ho takatrao amin’ny ilay filazana hoe: “Ny tena zava-dehibe dia izay ataontsika aminy”.
Tsy mila miresaka amintsika bebe kokoa Andriamanitra; fa isika no mila mihaino Azy bebe kokoa.
Nahatsiaro voakasika ve ianao? Moa ve ianao anisan’ireo tsy mino ka mihevitra fa tsy ampy ny tenin’Andriamanitra? Te hihaino misimisy kokoa ve ianao vao hino? Sa ianao anisan'ireo misalasala ka na dia hisy "bebe kokoa" aza dia tsy hanova na inona na inona izany?
Koa ahoana raha mba misafidy ny hatoky anio? Eny:
"Aza miankina amin'ny fahalalanao, fa matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra." (Ohabolana 3:5).