🗣️ Inona no fitarainan’ny fonao ?
Nanao ahoana ny Krismasinao? Mety hoe nanodidina anao ny havanao fa mbola nahatsapa ho irery ianao teo am-pisakafoanana? Na hoe tsy araka izay noeritreretinao no niseho? Angamba koa nisy olona tena akaiky anao sy niaraka taminao hatramin’izay, no tsy teo tamin’ity taona ity…
Nitranga tamiko ihany koa izany. Matetika mahazo ahy ny hoe iny aho no nidina avy teny amin’ny lampihazo rehefa avy naneho seho mahomby, miaraka amin’ny tehaka mafy ataon’ny mpijery, saingy afaka kelikely dia miankohoka irery ao amin’ny efitranoko, mitomany mafy… satria tsapako hoe irery aho!
Te hizara aminao hevitra iray izay nanova tanteraka ny fomba fijeriko momba izany aho !
Ny fahatsapana ho irery dia antson’ny fonao maniry ny hifandray amin’ny fon’Andriamanitra!
Raha tsapanao hoe tsy ampy olona manodidina anao, dia ilay fonao mihitsy no manome famantarana ny faniriana lalina ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny fifandraisana akaiky amin’ilay Mpamorona anao, Ilay mampitempo ny fon’ny fiainanao!
Ilay Zazakely tonga teto an-tany irery ihany no afaka manala ilay fahatsapana ho irery izay mamely anao, ary mampiova an’izany ho fiainana feno harena sy fahasambarana:
“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay..”(Jaona 3.16)
Raha azonao fa famantarana natao hampahatsiahy anao hoe mila mifandray amin’Andriamanitra io fahatsapanao fahabangana io, dia ho takatrao ny tena fanomezana lehibe izay voarainao tamin’ny Noely :
“Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika…”(1 Jaona 4.9-10a)
Tahaka ny nanomezany anao ny fitiavany talohan’ny nitiavanao Azy dia mahita anao Izy alohan’ny hahitanao Azy! Vonona ve ianao handray io fanomezana manokana io ary hamaly ny antson’ny fonao, amin’ny fananganana fifandraisana amin’Ilay Zazakely, Mpamonjin’izao tontolo izao?
Henoy ny antsony!
Fahaganana ianao!
