🌬️ Inona no evohanao ?
“Manana ‘inhalateur’ ve ianao?” Fanontaniana napetraky ny mpivarotra fanafody tamiko izany rehefa nanazava azy aho fa voan’ny sery be !
Nitsiky aho, satria tahaka ny maheno an’i mamanay izany aho miteny amiko foana hoe : “mila manao evoka ianao”. Tena manana “inhalateur” tokoa aho, fa ny tena marina tsy dia ampiasaiko loatra izy io… Hakamoana e !
Raha manontany anao aho ry namako : “Manana Baiboly ve ianao?”, na tsaratsara kokoa hoe “Afaka mifandray amin’i Jesosy ve ianao?”, dia hamaly ianao – enga anie ka “eny”. Inona no hifandraisanao Aminy ?
Nanao an’izay fanamarihana izay tamin’ny olona Jesosy, tamin’ny fotoan’androny :
“Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana” (Jaona 5.39-40)
Manokana fotoana miaraka amin’i Jesosy ve ianao mba hiaina ilay fiadanana izay tiany omena anao izao ? Mino aho fa tsy hamaly isika hoe : “Eny fa…ny hakamoana…”
Rehefa mandray fanapahan-kevitra ny hitady ILAY nifidy antsika voalohany efa hatry ny ela isika, dia hijery tahaka Azy, ary hiaina ilay fiadanana izay Izy irery ihany no afaka manome azy !
“Inhale truth – exhale life!” (Miaina fahamarinana sy fiainana), io no lohahevitry ny fihaonambe natrehiko taona vitsivitsy lasa izay tany Angletera.
“Miaina ny fahamarinana – manome fiainana”
Izay avelanao hiditra ao anatinao, izay manentana anao, dia hivoaka amin’ny kalitaon’ny fiainana.
Te-hanentana ny fahamarinana, ny tanjaka ary ny fahafahan'Andriamanitra mahatalanjona ve ianao ?
Manentana, sy mampita amin’ny manodidiana anao amin’ny fanomezana ? Vitanao izany ! Ary ho ataonao amin’ny fifaliana ! Satria te hitondra fanantenana eto amin’izao tontolo izao Andriamanitra amin’ny ALALANAO. Anio, ary mihoatra noho ny hatramin’izay !
Noho izany dia mamporisika anao aho mba hanome lalana an'i Jesosy, amin'ny alalan'ny vavaka sy ny famakiana ny tenin'Andriamanitra.
Hainao ve ny dikan’ny evoka ?
Ilay entona ranomafana izay nasiana akora manasitrana dia hanamaivana ny aretina ao amin’ny taovam-pisefoana.
Inona araka ny eritreritrao no hataony manaraka raha manao mihoatra noho ny “manafana ny rano” ianao ? (izany hoe ny herin’Andriamanitra).
Iaino izany dia ho talanjona ianao ry namako.
