🤔 Inona no eritreretinao?

Eritreritra manao ahoana no mandalo ao an-tsainao matetika amin’ny andavanadro? Tsy haiko raha efa nandinika izany ianao fa ny eritreritra no tena mamaritra ny fiainantsika.
Ohatra, ny olona iray izay tsy mahita afa-tsy ny lafiny ratsy amin'ny izay toe-javatra misy dia ho lasa olona manana fijery miiba, tsy mba manana fanantenana ary tsy matoky tena. Eo amin’ny fiainany andavanandro, ireo eritreriny dia hitarika azy hiandry vaovao ratsy foana, ary na dia misy vaovao mahafaly aza, dia hisalasala izy ireo ary tsy resy lahatra tanteraka.Â
Fa ny olona falifaly kosa dia hiaina ireo toe-javatra ireo amin'ny fomba fijery hafa tanteraka. Hoy ny mpanoratra ny Ohabolana 15:15 hoe: “Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.”
Eny tokoa, ny fihevitsika no mamaritra ny fomba fijerintsika sy ny fihetsitsika manoloana ny toe-java-misy. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo” (Efesiana 4:23) na araka ny voalaza ny dikan-teny hafa koa hoe: “Mahafantatra zavatra amin’ny saina vaovao araka ny Fanahin’Andriamanitra.” (Efesiana 4:23)
Eny, ry namako, mila avelanao hanavao ny eritreritrao Andriamanitra mba hiainanao fiainana feno fahafenoana! Andriamanitra dia te hanampy anao hahita amin'ny fomba fijery hafa, mba ahafahanao miaina ny Fanavaozany isan'andro.
Izany indrindra no ataontsika mandritra ny andro vitsivitsy : hamakafaka ireo fanalahidy izay hanavao ny eritreritsika sy ny fihevintsika. Vonona ny hamela ny tenanao hiova ve ianao?
Fahagagana ianao!

